♦ Fiiloha Nasiônaly Tafo Miavo : Tatitra mikasika ny fiarovana ny arena voajanahary eto Madagasikara... ♦ Ny varika mena : miovaova araka ny faritra ny anarana iantsoana azy ; tonkona, barimaso, tongo, alomena, soamiera, kiririoka... ♦ Fifaninanana  Equator Prize 2020, andiany faha-11 :  Tamia Antsirabe no nahazo ny laharana faharoa tamin'ireo vondron'olona ifotony miisa 600 amin'ny firenena 120... 

Ny vatana mifanakaiky no endriky ny fanehoam-pitiavana. (02-12-2020)

Alakamisy 03 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21. 24-27 — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany ; sambatra izay vonona hitsena Azy.

♦ Ho sarotra ny hahatratrarana ny fitombon'ny harinkarena faobe 4% mahery ny amin'ny taona 2021 , raha ny rafitry ny teti-bolam-panjakana amin'ny taona ho avy... ♦ USAID sy ny DOI-ITAP : nanolotra 150.000 dolara ho an'ny fikambanana TSA hiantohana ny fahaveloman'ny sokatra miisa 24.000... ♦ Fifidianana filoham-panjakana amerikana : tsy nisy hosoka hoy ny ministry ny fitsarana amerikana...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...