♦ Hirotsaka ny orana amin'ny faritra maro manerana ny nosy amin'ity herinandro ity. Orana voajanahary no ho avy fa tsy artifisialy akory... ♦ Marihina anio ny andro maneran-tany iadiana amin'ny areti-mandoza VIH/Sida, hisy hetsika eny Faravohitra... ♦ Coronavirus any Etazonia : atahorana hirongatra indray, olona 9.000.000 no tsy voasakana fa mbola nandao ny tanony, noho ilay fomba fanao "ThanksGiving"...
Talata 01 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 21-24 — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary.
♦ Oram-baratra natoraly no andrandraina hirotsaka manomboka androany fah tsy orana artifisialy, hoy ny teknisianin'ny Météo... ♦ Nahatratra 30 ireo mpiasan'ny KRAOMA naratra tamin'ny sakoroka omaly, hoy ny delegen'ny mpiasa. Nandiso izany anefa ny solombavambahoakan'i Tsaratanana... ♦ Miisa 11.000.000 ireo ankizy latsaky ny 5 taona mitondra faisana vokatry ny tsy fanjariantsakafo sy ny valanaretina...
♦ Fiaraha-miombom-bavaka teny amin'ny Ekar Antanimena no nanokafan'ny FFKM ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Vola metentina 76.000.000 Euro avy amin'ny vondrona Eropeana no hanavaozana ny tambazotra iombonana mitondra ny rano ao Antananarivo renivohitra... ♦ Nanokatra fanadihadiana momba ny nahafatesan'i Diego Maradona ny fitsarana any Argentine...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco