• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Mamondron-kery, miara-mientana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ireo kaominina miisa fito manamorona ny lalam-pirenena faha telo miainga eo Ambohimanga rova hatrany Anjozorobe. Nisy ny atrik’asa niarahana nandinihana sy nandrafetana ny drafitra paik’ady entina manatanteraka izany. Nandray anjara tamin’ny atrik’asa ny ben’ny tanàna, ny filohan’ny filankevitra kaominaly ary ireo mpitarika fikambanana samihafa eny ifotony. Atrik’asa nandritra ny roa andro nanomboka omaly nifarana androany tao amin’ny FTA na ny Farming and Technology for Africa eny Ambohimanga Rova...
• Efa hatramin'ny ela no tokony namaritra drafitra mazava manoloana ireo olana eto amin'ny firenena ny mpitondra ankehitriny, hoy ny antoko Roso ho an'ny Demokrasia Sosialy na ny RDS... • Andrasana anio zoma ny hivoahan'ny voka-panadinana BEPC ho an'ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra... • Hiompana amin'ny saina voatran'olombelona ny fankazalana ny 15 jolay, Andro maneran-tany ho an'ny fahaiza-manaon'ny tanora, amin'ity taona ity...
Ny fanantenana vokatry ny fifankatiavana dia manasongadina ny herin’ny fitiavana amin’ny fanomezana hery sy fanantenana eo amin’ny fiainana. Afaka aseho amin'ny endriny maro izany fitiavana izany na eo amin’ny mpivady, na fianakaviana, na fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fihetsika madinika isan'andro. Na dia eo aza nefa ireo sakana tsy havitana izany dia misy hatrany fomba hihoarana izany dia ny fialana amin’ny hambom-po sy fisokafana amin’ny hafa. Ny fifankatiavana matotra dia mitondra fiadanam-po, fitovian-danja, fivelarana iombonana ary fahaiza-miatrika ny sedra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco