Alahady 08 marsa 2020 — Alahady faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratran'i Masindahy Matio 17, 1-9 — Tao anatin'ny rahona mamirapiratra no re ny feon'ny Ray nanao hoe : Ity no Zanako malalako : henoy Izy.
Sabotsy 07 marsa 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48 — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.
Papa Bio na Papa Basile, tantsaha mpamokatra, misehatra amin'ny asa fampandrosoana ny eny ambanivohitra any amin'ny faritr'i Itasy, indrindra ny ao amin'ny distrika Soavinandriana. Mifototra amin'ny fambolena biolojika izy, mikaroka haitaom-pamokarana samihafa koa amin'ny fomba ahazoana izay vokatra biolojika izay.
Zoma 06 marsa 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26 — Tsy ny hahafatesan'ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany ka ho velona izy.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco