Zoma 27 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 7, 2. 10. 14. 25-30 — Izaho no fanangananany fiainana, hoy ny Tompo ; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.

♦ Nitombo efatra indray ireo olona voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika, 23 izany izao izy ireo, izay samy mpandeha tamin'ireo fiaramanidina tonga teo amintsika avokoa... ♦ Niteraka korontana tao Toamasina ny hetsika nataon'ireo mpitarika posy sy mpitondra tuc-tuc, mikiry ny mbola hiasa hatrany... ♦ Karohin'ny polisy amin'izao fotoana ilay vehivavy namoaka feo tamin'ny tambazotra ara-tsosialy, nilaza vaovao tsy marina mikasika ny Coronavirus eto amintsika...

♦ Nahazo fitaovana vaovao hiatrehana ny valan'aretina entin'ny Corona Virus ny fitondram-panjakana malagasy... ♦ Nametraka vidin'entana raikitra hampiharin'ireo mpivarotra antsinjarany tsy manana facture nividianana entana tany amin'ny mpamongady ny Ministeran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa-tanana... ♦ Misedra olana ara-pihariana ireo mpisehatra amin'ny lalam-pihariana ronono manoloana ny toe-java-misy amin'izao fotoana izao...

Alakamisy 26 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 31-47 — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...