I Masimbavy Agnès de Rome no tsaroana rehefa 21 janoary. Teraka ny taona 290 tao Roma i Masimbavy Agnès. Teo amin'ny faha-12 taonany izy no nandà ny fangatahana azy ho vady nataon'ny zanaky ny Péfet tao Roma. Tamin'io fangatahana io mantsy dia nambaran'i Agnès fa efa manana fofombady izy, ary ambony kokoa noho ity zanaky ny Préfet ity.
Manampy amin'ny tolona fanao amim-bavaka ny fitadidiana, ny saina, ny sitrapo, izay fototra tsara amin'ny vavaka sy ny fandinihana masina. Ny fampiasana ny fandrenesana miisa 5 dia mitera-boka-tsoa. Ny fahalainana dia resena amin'ny sitrapo sy ny hafaliana, ny sitrapo dia isan'ireo hery lehibe hanampy amin'ny fifantohana anaty vavaka... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco