12 nôvambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 7-10)
♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...
♦ Tsy hanakana ny fizoran'ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM, raha nanao fanambarana. Havadika ho lalana hiarovana ny firenena izany hoy izy ireo... ♦ Mitaky ny hamerenana ny vola nesorina tamin'ny tambin-karamany hividianana 4x4 ireo solombavambahoaka sasany. Nampiaka-peo momba io resaka io Andriamatoa Pety Rakotoniaina, avy amin'ny Distrika Ikalamavony... ♦ Mametra-panontaniana amin'ny fitondràna ny Randrana Sendikaly, manoloana ny filazàna fa tsara tantana ny CNaPs ankehitriny. Efa tafaverina ve ireo volan'ny mpiasa nampindramina tao, ho ity vondrona sendikà ity?... ♦ Nitrangàna horohoron-tany in-droa misesy tany amin'ny faritra atsimon'i Cuba omaly...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco