♦ Hifarana anio ny fe-potoana 48 ora nomen'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa hamahana ny olan'ny mpianatra eny amin'ny polytechnique Vontovorona... ♦ Hiroso amin'ny fanamboarana ireo làlana tena ratsy ao Antsapanana miazo an'i Moramanga sy Brickaville miazo an'i Toamasina ny ministeran'ny asa vaventy... ♦ I Madagasikara no handray ny fivorian'ireo firenena mpikambana anatin'ilay fifanarahana Naérobie aty andrefan'ny fari-dranomasimbe Indiana na ny COP 11, ny 20 hatramin'ny 22 aogositra ho avy izao etsy amin'ny CCI Ivato... Nofidian-dRamatoa Kamala Harris ho mpiara-mihazakazaka sy mpiray lisitra aminy amin'ny fiatrehana ny fifidianana filoha any Etazonia i Tim Walz...

♦ Novelabelarina nandritra ny andro fahaenina amin'ny fihaonambe maneran-tany momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona ho an'ny Saleziana tanterahana ao Roma renivohitr'i Italie ny momba ny asa fanaovan-gazety kirakiraina amin'ny alalan'ny "Mobile Journalism"... ♦ Tsy manara-dalàna ary mandika ny lalam-panorenana ny programan'asa ho fanatanterahana ny PGE izay hatolotry ny praiministra eny anivon'ny antenimiera raha tsy faritana sy tapahina eo anivon'ny filan-kevitry ny governemanta hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana... ♦ Avotry ny mpitandro filaminana ireo folo lahy nisy naka an-keriny tao amin'ny kaominina Ambohibary Vohilena, Disitrikan'Anjozorobe...

Misy ireo manao vavaka mba hahazoana doka na dera fotsiny, izany he mivavaka mba hitady voninahitra ho an'ny tenany. Misy ireo mandeha mivavaka mba hampidera haingo sy lamaody fotsiny mba ho hitan'ny olona fa tsara endrika sy mendrika eo anivon'ny fiaraha-morina. I Jesoa dia manitsy an'io fomba fivavahantsika io ka milaza hoe : raha mivavaka ianareo, aza mba manao tahaka ny mpiatsaravelatsihy... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

7 aogositra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantoana — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...