♦ Nanao hetsika teny Anosy androany ireo manana ny maty, noho ny raharaha fanapoizinana teny Ambohimalaza. Mitaky ny hivoahan'ny marina momba ny poizina nahafaty ny havany izy ireo... ♦ Hatao rahampitso eny Anosy ny raharaham-pitsarana momba ny fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara. Mitombona ny porofo napetraka hoy ny kandidàn'ny mpanohitra, Frérot l'homme noir, androany... ♦ Misy amin'ireo mpiadina no namarana tanteraka ny fanadinana Bakalôrea androany. Samy nanan'ny filazany momba ireo laza adina niadinana tamin'ny ankapobeny, izy ireo... ♦ Nianjera tany atsinanan'i Rosia androany maraina ny fiaramanidina Antonov, nitondra olona 49...

♦ Hotanterahana ny 28 jolay hatramin'ny 01 aogositra izao ny herinandron'ny fampiroboroboana ny indostria. Tafiditra amin'ny fandraisan'i Madagasikara ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 ity hetsika ara-toekarena ity... ♦ Mihena ny voka-bary tamin'ny faritra maro tamin'ity taona ity, isan'izany ny tao amin'ny Faritra Vakinankaratra. Zara raha nahazo iray taonina ny tantsaha raha nampiakatra 5taonina isaky ny Hektara teo aloha... ♦ Nametraka andriamasom-pokonolona maharitra nomena ny anarana Voromahery ny ao amin'ny Kaominina Ankilimalinike-Toliara-II, manoloana ny tsy fandriam-pahalemana mihatra amin'ny mponina...

Ny fanabeazana olom-pirenena dia fampahafantarana azy ny zony. Ny hoe verezin-jo dia ireo olona ampidinina amin'ny laharana ambany noho izay efa misy azy. Tsy ny mpanao pôlitika irery no mila mandray andraikitra amin'ny fampandrosoana ny firenena fa ny olom-pirenena rehetra. Ny olona manam-bola ankehitriny no maro mitantan-draharaha fa tsy ireo olona nianatra sy manana traik'efa ; ilaina hampianarina any an-tsekoly ny "pôlitika" amin'ny maha hay fitantanana ny tanàna azy... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Olona maromaro no efa nahiditra am-ponja sy hanaovana fanadihadiana momba ny fisolokiana amin'ny fanadinana Bakalôrea hoy ny Ministry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tsy mbola misy hoy izy fivoahan'ny laza adina mialohan'ny fotoana... ♦ Niatrika ny mpitsara mpanao famotorana teny Anosy omaly ireo fianakaviana manana maty nametraka fitoriana noho ny raharaha fanapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Ambohimalaza... ♦ Vonona amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 i Madagasikara hoy ny Ministry ny raharaham-bahiny... 

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...