Tsy anatin'ny filaharam-pitondrana ao amin'ny Fiangonana ny fiainan-drelijiozy, manaraka ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly ; tsy tafiditra amin'ny sakramentan'ny filaharana tahaka ny Eveka, Pretra sy Diakra. Na izany aza dia voatokana hanompo ny Tompo sy hanome voninahitra Azy ny tenan'ny relijiozy. Ny relijiozy dia manavao isanandro ny fanomezan-toky tamin'ny Batemy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

• Manavao ny lasi-piofanana momba ny fambolena sy ny fiompiana ny Don Bosco Madagascar sy ireo mpiara-miombona antoka aminy. Azo ampiasaina amin'ny taom-pianarana vaovao izao, ny vokatra azo... • Mikarakara fihaonambem-paritra ara-toekarena mandritra ny roa andro, hanomboka rahampitso, ny Faritra Atsimo Andrefana. Fotoana ahafahan'ny Faritra mamaritra ny laharam-pahamehana ao aminy izy io... • Hakalazaina ny 18 hatramin'ny 24 aogositra 2025 ny faha-50 taonan'ny klioba Malagasy Karaté Do na ny MAKA. Hanome voninahitra izany ny filoha mpanorina, ny Maître René Ramanitrandrasana...

♦ Tafapetraka eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny ivon-toerana handrindra sy hitantanana ny fizotran'ny fihaonana antampon'ireo filoham-panjakàna sy governemanta eo anivon'ny SADC ny 3 hatramin'ny 18 aogositra, ahitàna vaomiera 14 mandrafitra izany...  ♦ Tapitra ny faran'ny volana jolay izao ny fe-potoam-piasan'ny tale jeneralin'ny Madagascar Airlines, Thierry De Bailleul. Hisokatra ho an'ireo maniry ny te ho tale jeneralin'ity kaompania ity ny fitadiavana olona vaovao hoy ny ministera... ♦ Nidina ho 58,95% ny taham-pahafahana fanadinam-panjakàna BEPC manerana ny nosy tamin'ity taona 2025 ity...

Mamarana ny taon-tsekoly ny any am-pianarana, ary efa manomana sahady ny fandaharam-potoana ho an'ny taona manaraka. Ny sekolin'ny ray aman-dreny dia mitondra amin'ny fivoarana ho an'ny tsirairay sy ny sekoly ary ny mpanabe. Ireo mandrafitra ny telozoron'ny fanabeazana no tena hiantefan'ny sekoly ho an'ny ray aman-dreny, fanatsarana ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ireo mpianatra... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...