Anisan'ny voka-dratsy ateraky ny fisotroana toaka ihany ko a ny familiana ny rariny ananan'ny hafa fa indrindra ny madinika. Mahatonga fisarahana amin'Andriamanitra ny fisotroana toaka satria lasa tsy mahita fotoana andehanana mivavaka intsony na tsy manisy lanjany ara-panahy intsony ilay olona, nefa tsarovy fa rehefa misotro toaka dia manazimba ny tranon'Andriamanitra, izay ny tenantsika... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

24 febroary 2024 — Sabotsy, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)

♦ Nivondrona anaty Vovonana Firaisankina, ny antoko TIM, Pro Siteny, HVM, Tsara Tahafina ary ny Antoko Pôlitika Madio. Handray anjara amin'ny fifidianana Solombavam-bahoka izy ireo, ka hanolotra kandidà iraisana amin'ny distrika 119 manerana ny nosy... ♦ Efa azo lazaina ho milamindamina ny Distrikan'i Belo-Sur-Tsiribihina, Faritra Menabe, raha nanjakan'ny asan-dahalo sy ny vono olona, teo aloha... ♦ Hotanterahana ny 20 hatramin'ny 23 jona 2024, etsy amin'ny CCI Ivato, ny andiany faha-10 amin'ny hetsika ITM sy ny andiany voalohany amin'ny IHM...

♦ Notontosaina tao amin'ny Nosy Maurice ny 11 ka hatramin'ny 17 febroary 2024 ny fiofanana sy fampiofanana momba ny fiarovana ny zaza sy ny marefo amin'ny herisetra… ♦ Manatanteraka ny “Fitsidihana miaraka” ho an'ny Faritra Afrika-Madagasikara, any Kigali Rwanda ny Filankevitra Jeneralin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco ny 20 ka 23 febroary 2024… ♦ Manentana ny kristianina hanamafy ny vavaka mba hisian'ny fandriampahalemana any amin'ny faritra atsinanan'ny Repoblika Demokratikan'i Congo ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana…

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...