Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 11, 29-32 ; 12, 19)

Niendaka tamin’ny tranon’i Davida i Israely.

Tamin’izany andro izany,
raha nivoaka avy tao Jerosalema i Jerôbôama
dia nifanojo teny an-dalana tamin’i Ahiasa mpaminany,
avy any Silao, sy nitafy kapaoty vaovao:
izy roalahy ihany no tany an-tsaha tamin’izany.
Nalain’i Ahiasa ny kapaoty vaovao teny aminy,
ka norovidrovitiny ho roa ambin’ny folo, dia hoy izy tamin’i Jerôbôama:

“Raiso ho anao ny tapany folo,
fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:

Indro, hendahako avy eo an-tanan’i Salômôna ny fanjakana,
ka homeko anao ny foko folo, fa ny foko iray ihany no sisa azy,
noho ny amin’i Davida mpanompoko sy noho ny amin’i Jerosalema,
tanàna voafidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra.

Toy izany no niendahan’i Israely tamin’ny tranon’i Davida mandraka androany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 80, 10-11ab. 12-13. 14-15

Izaho no Tompo Andriamanitrao, mihainoa ny teny hambarako anao.

Tandremo mitsaoka andriamani-kafa.
Mandray ny andriamanitr’ireo vahiny;
f’izaho re no Tompo Andriamanitrao.
Nampakatra anao avy tany Ejipta.

Kinanjo ny oloko tsy nihaino.
I Israely nanosika Ahy!
Izao izy avelako hanao ny tiany.
Hanaraka tsara izay sitrapony.

Indrisy raha nihaino Ahy ireo olon-tiako.
Ka i Israely nanaraka Ahy:
dia ho noreseko ny fahavalo.
Ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)

Nampalady ny marenina sy nampiteny ny moana Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira,
ary namaky ny faritanin’i Sidôna
ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapaoly.
Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana
nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tanana.
Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy,
ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany.
Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra Izy,
sady nisento ary nanao taminy hoe:

“Efeta, izany hoe, misokafa.”

Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany,
ka niteny tsara izy,
ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza;
fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;
sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe:

“Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony,
fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny voka-dratsin'ny fandraisana zava-mahadomelina dia maro : manakorontana ny fiasanan'ny taovan'olombelona ka mahatonga tsy fahasalamana. Mampihena ny hery voajanahary ny fandraisana zava-mahadomelina. Mampihena ny torimaso ny zava-mahadomelina, anefa fototry ny fahasalamana ny torimaso. Ny fandraisana zava-mahadomelina dia mety hanempotra, mampihena ny fitadidiana... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

8 febroary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)

Ny tanora dia ireo sokajin'olona eo ampanomanana ny fiainan'ny sy ny ho aviny, izany hoe ireo eo anelanelan'ny salan-taonan'ny ankizy sy ny olon-dehibe. Ny olon-dehibe dia 20 taona mahery ara-batana, mahaleo tena efa manana ny asany, matotra, manana ankohonana. Ny fanambin'ny vaninandro ankehitriny, ho an'ny tanora dia ny fanampiana ny fianakaviana amin'ny asa fanao, miezaka ny hanana fitondran-tena matotra, sahy hiatrika ny ho avy. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...