♦ Nifantoka tamin'ny fikatsahana ny hafaliana amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny Sinaodin'ny Diôsezin'i Farafangana, notanterahina ny 11 hatarmin'ny 15 marsa 2024... ♦ Mila mizotra mankany amin'ny lalan'ny hatsaram-panahy sy ny fitondran-tena marina isika, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 13 marsa 2024... ♦ Nanamarika ny faha-11 taona naha teo amin'ny Fiketrahana masina ny Papa François ny antso amin'ny fampitsaharana ny ady sy ny fifampidinihana ho amin'ny fandriampahalemana...

Mitohy ao amin'ny Kaominina Ambohitsilaozana, Ambohidava ary Imerimandroso any amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro ny fandrakofana ala ny tetezan'ala Ankeniheny Zahamena ataon'ny Foibe FAFIALA. Tetik'asa dingana faharoa nankinin'ny Conservation Internationale amin'izy ireo...

♦ Mbola manjavozavo ny fanendrena izay ho solontenan'ny fiarahamonim-pirenena ao amin'ny HCDDED... ♦ Hiroso amin'ny ady amin'ny fanafoanana tanteraka ny fampiasa merkiora eo amin'ny sehatry ny fitrandrahana volamena madinika, amin'ny alalan'ny tetikasa Planet Gold Madagascar, ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana... ♦ Iray vola tao aorian'ny tranga fakana an-keriny miisa telo tany Tsaratanana, mbola misy 6 ireo olona tsy navotsotr'ireo mpaka an-keriny hatramin'izao...

Ny fianakaviana dia andry voalohany hijoroan'ny fiaraha-monina izay fototra ijoroan'ny Fiangonana sy ny Firenena. Ny tsirairay eo anivon'ny ankohonana dia mila miezaka miara-miaina, mifanohana, mifanampy ary mifanaja, mba hampivelatra, sy ho antoky ny filaminana ara-piaraha-monina. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...