♦ Hotanterahina ny alahady 14 aprily 2024 ny fanamasinana ho eveka an’i Mgr Jean Désiré Razafinirina, Evekan’ny Diôsezin’ny Morombe… ♦ Hotanterahina ny 9 sy ny 10 marsa izao ny Andron’ny Vehivavy Misiônera Katôlika eto amin’ny Diôsezin’Antananarivo… ♦ Toetra mila fongorana ny fitsiriritana sy ny fitadiavana voninahitra foana, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience générale ny alarobia lasa teo… ♦ Niverina ao Vatican ny Papa François, rehefa avy nanao ny fizahana ara-pahasalamana…
Efa mahatsapa ny mahazava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny famokarana ilofosan'izy ireo ny tantsaha mivondrona ao amin'ny vovonam-pikambanana Filamantra Soa Iombonana na ny FISOI sy ny SOAMITSINJO ato amn'ny Faritra Analamanga. Samy mpikambana ao amin'ny Réseau SOA avokoa ireo fikambanana ireo. Misy hatrany isan-taona ny fambolen-kazo faobe ataon'izy ireo.
♦ Nahitana taham-piakarana 3,92% ny fisoratana anarana, raha mitaha amin'ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy farany. Izany hoe misy mpifidy vaovao miisa 432.578 ao anaty lisitra... ♦ Natomboka ôfisialy androany, tao amin'ny seranan-tsambon'i Mahajanga Be ao Mahajanga I, ny fanjonoana makamba... ♦ Nahatratra 44 ny isan'ireo ankizy tsy hita naharaisan'ny Pôlisim-pirenena misahana ny zaza tsy ampy taona fitarainana, tao anatin'ny roa volana, ho an'ny teto Antananarivo Renivohitra...
Anisan'ny resaka mafanafana ny VIH/SIDA amin'izao vanim-potoana iainantsika izao. Misy fiantraikany amin'ny fiaraha-monina ny VIH/SIDA, koa ilaina ny fahafantaran'ny olona io aretina io, torak'izany ny fitrangany sy ny hisorohana ny fiparitahany. Ilaina ny fiaraha-mientana amin'ny fiadiana amin'ny VIH/SIDA, tsy tokony hailikilika ireo marary. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco