24 nôvambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)
♦ Mitana ny sain'ny maro ilay fahafatesan'olona dimy notifirin'ny mpitandro ny filaminana teny Andohanimandroseza. Mbola ao anatin'ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro ny filaminana amin'izao, ka efa nisy ny olona nohenoina momba izany... ♦ Tsy misy fifandraisany amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena ireo olona dimy namoy ny ainy, noho ny raharaha fifampitifirana teny Andohanimandroseza. Nanao fanambarana momba izany ireo mpiasa akaiky an-dRamatoa Christine Razanamahasoa...
Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 34, 11-12. 15-17)
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro Izaho dia Izaho ihany no hiahy ny ondriko sy handinika azy.
Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny,
amin’ny andro hitsanganany eo amin’ireo ondriny mihahaka,
no handinidinihako ny ondriko;
ary hoesoriko izy ireo,
hiala any amin’ny tany rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy manjombona.
Izaho no hiandry ny ondriko,
Izaho no hampandry azy;
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra.
Ny very hotadiaviko;
ny nania, haveriko;
ny naratra, hotsaboiko;
ary ny marary, hohatanjahiko;
fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako;
handrasako ara-drariny izy ireo.
Ary ny aminareo, ry ondriko,
izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro Aho hitsara,
hanavaka ny reniondry sy ny reniondry;
hanavaka ny ondralahy sy ny osilahy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 22, 1-2a. 2b-3. 5-6
Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso.
Entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany,
tarihiny amin’ny lala-marina.
Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko:
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.
Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 20-26a. 28)
Ry kristianina havana,
efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy
ary Izy no santatr’izay efa nody mandry;
satria olona iray no niavian’ny fahafatesana,
ka dia Olona iray koa no iavian’ny fitsanganan-ko velona;
ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama
no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy,
fa manaraka ny laharany avy:
i Kristy no santatra,
dia izay an’i Kristy amin’ny andro hiaviany.
Rehefa afaka izany, tonga ny farany,
dia rahatrizay hatolony amin’Andriamanitra sy amin’ny Ray ny Fanjakana,
rehefa levony avokoa ny fifehezana sy ny fahefana ary ny hery rehetra.
Satria tsy maintsy manjaka Izy
ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony.
Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
Koa rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra,
na Izy Zanaka aza dia hanaiky izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra,
mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 31-46)
Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’Olona
otronin’ny Anjely rehetra,
dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;
ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra,
ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy:
ny ondry moa hataony eo ankavanany;
ary ny osy kosa eo ankaviany.
Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo ankavanany hoe:‘Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko,
handova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo
hatrizay nahariana izao tontolo izao.
Fa noana Aho, nomenareo hanina;
nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina;
nivahiny Aho, nampiantranoinareo;
tsy nitafy Aho, notafianareo,
narary Aho, novangianareo;
tany an-tranomaizina Aho, notsidihinareo’.Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe:
‘Tompo,
oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina,
nangetaheta ka nomenay hosotroina?
Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay,
na tsy nitafy ka notafianay?
Oviana no hitanay narary Ianao
na tany an-tranomaizina ka novangianay?’Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe:
‘Lazaiko marina aminareo
fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray
amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo,
dia nanao izany tamiko’.Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray Izy ka hanao hoe:
‘Mialà amiko ianareo, ry voaozona,
mba ho any amin’ny afo mandrakizay,
izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.
Fa noana Aho, tsy nomenareo hanina;
nangetaheta Aho, tsy nomenareo hosotroina;
nivahiny Aho, tsy nampiantranoinareo;
tsy nitafy Aho, tsy notafianareo;
narary Aho, sy tany an-tranomaizina tsy novangianareo’.Dia hamaly Azy koa ireo hanao hoe:
‘Tompo,
oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta,
na nivahiny, na tsy nitafy, na narary,
na tany an-tranomaizina, ka tsy namonjy Anao izahay?’Fa hovaliany hoe:
‘Lazaiko marina aminareo
fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray
amin’ireto kely indrindra ireto ianareo,
dia tsy nanao izany tamiko koa’.Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo,
fa ny marina kosa,
ho any amin’ny fiainana mandrakizay”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mananika ny 45% ny taham-pandraisana anjaran'ny mpifidy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany teo. Efa miparitaka koa ny fanasana avy amin'ny CENI amin'ny famoahana ny voka-pifidianana vonjy maika ny sabotsy izao... ♦ Somary ratsy ny kalitaon'ny vokatra litchis tamin'ity taona ity raha ny nambaran'ny filohan'ny fikambanan'ny zanak'i Toamasina na ny FIZATO. Efa nisokatra tamin'ity herinandro ity moa ny taom-piotazana... ♦ Laharam-pahamehana ho an'ny ministeran'ny asa ny fampanana asa ny tanora. Miatrika fivoriana fanamafisana traikefa momba izany ety Ivato ny solotenan'ny ministera isam-paritra, izay miara-miasa amin'ny RDB...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco