5 ôktôbra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-12)
♦ Nisafidy ny hikaton-trano, nihaona tamin'ireo hery velona teto amin'ny firenena androany, ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena. Hitohy rahampitso kosa ny fidinana an-dalambe... ♦ Handray fepetra amin'ireo minia manely vaovao tsy marina amin'ny fisian'ny zandary vahiny eny an-kianja, nanampy ireo zandary malagasy, ny mpitandro ny filaminana... ♦ Mikasa hanao tatitra eny amin'ny Kianjan'ny 13 mey, ireo Solombavam-bahoaka TIM, lany tao Antananarivo Renivohitra, miaraka amin'ny Solombavam-bahoaka mpanohitra. Tafapetraka androany teny amin'ny "Préfet" ny fangatahana...
♦ Hanohy ny fihaonana amin'ireo hery velona eto amin'ny firenena ny vondron'ireo kandidà. Tsy hisy ny hetsika fitakiana ataon'izy ireo anio. Fanapahan-kevitra taorian'ny fihaonana tamin'ny FFKM omaly... ♦ Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho amin'ny fampihenana ny loza sy ny tandindon-doza isika eto Madagasikara. Nanomboka omaly nitohy androany ny hetsika anamarihana izany, iarahan'ny BNGRC sy ny CPGU ary ny PNUD... ♦ Olona efatra no maty tao amin'ny kaominina Tsianisiha, Distrikan'i Toliara faharoa, Faritra Atsimo-Andrefa noho ny fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina... ♦ Nanomboka androany ny Sinaodin'ny Eveka andiany faha-16, notarihan'ny Papa François...
Bokin’i Barôka (Bar. 4, 5-22. 27-29)
Matokia, ry oloko, fahatsiarovana an’i Israely ô!
Ny nivarotana anareo tamin’ny firenena, tsy mba ny haringana;
fa ianareo nihantsy ny fahatezeran’Andriamanitra,
no nanolorana anareo ho an-tanan’ny mpampahory.
Satria nampahatezitra an’Ilay nanao anareo ianareo,
tamin’ny nanoloranareo sorona tamin’ny demony,
fa tsy tamin’Andriamanitra.
Nanadino an’Ilay namelona anareo ianareo, dia Andriamanitra mandrakizay,
ary nampalahelo an’ilay nitaiza anareo, dia i Jerosalema;
fa hitany miantefa aminareo ny fahatezeran’Andriamanitra, ka nilaza izy hoe:
“Mihainoa, ianareo mifanolo-bodirindrina amin’i Siôna,
fa nanirahan’Andriamanitra fisaonana lehibe aho.
Hitako ny fahababoan’ny zanako lahy aman-janako vavy;
sy izay nampiharin’Ilay mandrakizay tamin’izy ireo.
Tamin-kafaliana no nitaizako azy ireo,
fa tamin-dranomaso amam-pisaonana kosa no namelako azy handeha.
Aza dia misy mifaly e,
saingy mahita ahy mpitondra-tena sy nilaozan’ny maro be!
Efa lao aho noho ny fahotan’ireo zanako,
satria izy ireo nivily nandao ny lalàn’Andriamanitra.Matokia, anaka, miantsoa ny Tompo,
fa hahatsiaro anareo Ilay nahatonga izany loza rehetra izany taminareo.
Fa toy ny niheveranareo ny hanalavitra an’Andriamanitra
no hikatsahanareo Azy amin-kafanam-po impolo heny
rehefa tafaverina aminy ianareo.
Satria Ilay nahatonga loza taminareo,
dia hahatonga hafaliana mandrakizay aminareo kosa amin’ny famonjeny anareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 68, 33-35. 36-37
Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra;
ny babo tsy hainy hamavoina.
Hidera Azy anie ny tany sy ny lanitra,
ny ranomasina sy izay mihelotrelotra ao!
Fa Andriamanitra hamonjy an’i Siôna
sy hanangana ny tanànan’i Jodà:
ka hisy mponina indray ao,
izay hivolon-tompony tokoa!
Ny taranaky ny mpanompony no handova;
izay tia ny Anarany no honina ao!
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 17-24)
Tamin’izany andro izany,
dia niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe:
“Tompo ô,
na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho.
Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka
mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo
ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny.
Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo,
fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.”
Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe:
“Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany,
noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry,
fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa.
Eny, Raiko, fa izany no sitraponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray,
na ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanambarana Azy.”
Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy ka nilaza taminy manokana hoe:
“Sambatra ny maso mahita izay hitanareo;
fa lazaiko aminareo
fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo,
fa tsy nahita,
ary handre izay renareo fa tsy nandre.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco