Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-18)

Amin’ny alalan’i Jesoa no hitondran’Andriamanitra ireo nody mandry hiaraka aminy koa.

Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.
Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo:
Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavian’ny Tompo,
dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory;
fa hisy baiko homena, sy feon’arkanjely, ary feon-trômpetran’Andriamanitra,
dia hidina avy any an-danitra ny tenan’Izy Tompo,
ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
rahefa izany,
hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela,
hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka
dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 95, 1 sy 3. 4-5. 11-12. 13

Tamy ny Tompo hitsara ny tany.

Ihirao hira vao ny Tompo!
Ihirao ny Tompo, ry tany tontolo!
Ambarao ny firenena ny voninahiny,
ny vahoaka rehetra, ny asany mahagaga!

Fa lehibe ny Tompo sy mendri-dera fatratra,
mahatahotra noho ny andriamanitra rehetra!
Ny andriamanitr’ireo vahoaka tsinontsinona avokoa;
ny Tompo kosa nanao ny lanitra!

Aoka hifaly ny lanitra, hiravo ny tany,
hidobodoboka ny riaka sy izay mameno azy,
hibitaka ny saha sy izay rehetra ao aminy,
hanakora avokoa ny hazo any an’ala.

Mba hitsena ny Tompo;
fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 16-30)

Nirahiny hitory ny teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho... Tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy,
ary niditra tao amin’ny Sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata,
ary nitsangana hanao ny famakian-teny.
Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany,
ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe:

“Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo,
fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy
sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,
hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba,
hanafaka izay nampahorìna
ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.”

Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina
ka nipetraka Izy,
ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga.
Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe:

“Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.”

Ary nankalaza Azy izy rehetra,
sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy ireo:

“Tsy ny zanak’i Jôsefa va itý?”

Ary hoy kosa i Jesoa taminy:

“Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe:

‘Dokotera, sitrano aloha ny tenanao.
Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma
mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa.’

Dia notohiziny hoe:

“Lazaiko marina aminareo
fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.
Ary lazaiko marina aminareo koa
fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia,
raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana
ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra,
nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza,
fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà
any amin’ny tany Sidôna ihany;
ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany,
nefa tsy nisy sitrana na iray aza,
fa i Naamàna Sirianina ihany.”

Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany,
ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna,
sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany
mba hazerany any an-tevana;
fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy, dia lasa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Vaky ambatolampy ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ireo samy zanaky ny Amiraly Ratsiraka. Tsy mankatoa ny hampiasàna ny anaran'ny antoko AREMA amin'ny fifidianana amin'ny 9 novambra Ramatoa Ratsiraka Sophie... ♦ Hitombo 10% ny tahan'ny vahoaka hisitraka herinaratra eto Madagasikara, aorian'ny volana marsa 2024. Olona 2 tapitrisa no hisitraka tetik'asa roa lehibe izay vatsian'ny Banky iraisam-pirenena vola... ♦ Mitarika amin'ny fandrombahana medaly i Madagasikara amin'ny lalaon'ny nosy andiany faha-11 tanterahina eto amintsika. Nahazoantsika medaly volamena maro ihany koa ny taranja Taekwondo...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 20, 7-9)

Ny tenin’ny Tompo tonga fandatsana ho ahy.

Notarihinao aho, ry Tompo, ka voatarika.
Nosamborinao aho, ka nahery Ianao.
Zavatra fihomehezana aho isan’andro;
maneso ahy avokoa ny olona rehetra.
Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo,
manambara loza sy fandringanana,
ka ny tenin’ny Tompo tonga fandatsana sy fihomehezana ahy isan’andro.
Hoy aho:

“Tsy hilaza ny aminy intsony aho,
tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!...”

dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko,
voahidy ao anatin’ny taolako;
nanao izay hihazonana azy aho,
nefa tsy nahatana azy.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 62, 2. 3-4. 5-6. 8-9

Mangetaheta Anao ny fanahiko, ry Tompo Andriamanitro.

Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro!
Vao maraina aho maniry Anao;
mangetaheta Anao ny fanahiko;
matimaty Anao ny nofoko;
toy ny tany maina sy mangentana,
toy ny tany haraka, mila rano!

Tao an-toerana masina
no nahitako Anao;
tao aho nibanjina
ny herinao sy ny voninahitrao:
ka ny molotro nidera Anao,
fa ny fitiavanao, tsara noho ny aina!

Eny, hisaotra aho raha mbola velona;
ny Anaranao hanandratako tanana:
ka ny fanahy ho heni-tsoa,
ny molotra hihoby, ny vava hidera.

Fa notsenainao ny vonjinao aho,
ka mibitaka alofan’ny elatrao;
ny fanahiko mifikitra aminao,
ny tananao mihazona ahy.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 12, 1-2)

Samia re manolotra ny tenanareo ho sorona velona.

Ry kristianina havana,
mangataka aminareo aho,
noho ny famindram-pon’Andriamanitra,
samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo,
ho sorona velona, masina, ankasitrahiny;
fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao,
fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy,
mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra,
izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao amin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 21-27)

Raha misy te hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany.

Tamin’izany andro izany,
dia noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany
fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy,
ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona,
dia hovonoina,
ary hitsangan-ko velona rehefa afaka hateloana.
Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny Azy mafy hoe:

“Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany!”

Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe:

“Mialà amiko, ry Satana!
Manafintohina Ahy ity ianao,
satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra,
fa araka ny an’ny olona”.

Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Raha misy te hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany,
ka hanaraka Ahy.
Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy.
Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Fa ny Zanak’olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy
miaraka amin’ny Anjeliny,
ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy”.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Aleo kely ombam-pahatahorana ny Tompo, toy izay ny harem-be omban'ny tsy fahamarinana. Matoa mahantra ny firenena dia mbola betsaka ny kolikoly. Ilaina ny fialan-tsasatra satria izany no hatsiarovana ny asan'Andriamanitra, tamin'ny fahariana izao tontolo izao. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...