♦ Handray anjara amin'ny matso ataon'ny foloalindahy malagasy eny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina amin'ny 26 jona izao ny solontenan'ny tafika frantsay... ♦ Nesorina tamin'ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc omaly ireo mpitandro filaminana mpiambina azy teny amin'ny trano fonenany eny Faravohitra. Naverina an-dakazery avokoa izy ireo... ♦ CISCO miisa 5, omaly, no namoaka voalohany ny vokam-panadinana CEPE natao tamin'ny talata lasa teo. Hivoaka mialohan'ny fetim-pirenena ny voka-panadinana any amin'ny CISCI hafa... ♦ Miaina anatin'ny hafanambe ny mponina any amin'ny ilany avaratra sy atsinanan'i Chine ankehitriny, mahatratra 40°C ny maripana...
Sitrak'Andriamanitra ny fivoarana sady soa ho an'ny zava-boahary rehetra satria mampamokatra ilay tso-drano tany am-piandohana hoe mitomboa ; ka ilay hoe mitombo dia sady mitombo isa no mitombo hatsarana. Tsara ny manamarika fa tsy fandrosoana ny fandringanana sy ny fifaninanana amin'Andriamanitra ; manoloana ny zava-boahary dia mpanjaka isika fa tsy mpanjakazaka. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
24 jona 2023 — Ny nahaterahan'i Joany Batista — Fankalazana manetriketrika — Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo indrindra: handeha eo anoloan’ny Tompo ianao, hamboatra ny Lalany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 57-66. 80)
♦ Miray hina amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny fandaminana ireo hetsika rehetra anatin'ny Fetim-pirenena, ny Tafika Malagasy, ny Zadarimariam-pirenena ary ny Pôlisim-pirenena... ♦ Azo antoka ankehitriny ny fanaraha-maso ny seranam-piaramanidina sy ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, fa efa manana fitaovana hitiliana izany isika, sy mpiasa voaofana manokana amin'izany... ♦ Nesorina tamin'ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana androany, ireo mpiambina azy eny amin'ny trano fonenany...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco