Ny mpiara-miombon'antoka dia tokony iaina ny fahamarinana, ny fifampitokisana ary ny fifanajana. Ireo toetra fototra ireo dia hampiarina amin'ny sehatra rehetra izay hisian'ny fiombonan'antoka. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Mitohy ny fanomanan'ny eny ifotony ny fihaonamben'ny FFKM hatao amin'ny volana jolay ho avy izao. Manao ny fakan-kevitra ho entina mandritra izany ny FFKM Antananarivo-Atsimondrano... ♦ Tsy nikasi-tanana ny mpitandro filaminana tany Morondava ny filohan'ny Miava Tour Siteny Randrianasoloniako hoy ny Solombavambahoaka Mamihaja Charlot. Tsy ankasitrahan'izy ireo koa ny firosoana amin'ny tetezamita... ♦ Hanomboka anio etsy amin'ny CCI Ivato ny hay ranty biôlôjika na ny Salon Biôlôjika karakarain'ny SYMABIO sy ny mpiara-miombon'antoka aminy... ♦ Any Ukraine : mafotaka ny ady amin'ireo tanàna eo am-pelan-tanan'i Rosia...
Ny tontolo iainana dia izay misy rehetra ka mifandray amin'ny fiainan'ny olombelona, na ny hita maso na tsy hita, na ny manana aina na tsia. Tontolo iainana : ny tany, ny rano, ny zava-maniry, ny biby amam-borona isan-karazany, ny rivotra, ny masoandro, ny volana ny kintana, ny habakabaka ary ny olombelona ; izany hoe izay rehetra misy ety ambonin'ny tany sy ny any ambany any koa. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
15 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco