Ny miserasera amin'ny fo dia midika hoe izy mamaky ny asa soratrika na koa mihaino antsika ao anatin'ny tontolon'ny hanio vaky jery dia tokony haneho ny fandraisantsika anjara ihany koa amin'ny hafaliana sy ny ahiahy, amin'ny fanantenana am-pijalian'ny olona amin'izao androntsika izao. Izay miteny toy izany dia tia ny hafa satria sady miahy azy no mitandro ny fahafahany. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
7 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 18-27)
♦ Nifantoka tamin'ny fanamafisana ny katesizy ho an'ny fianakaviana sy ny fanatsarana ny fomba fampitana hafatra, ny tombana nataon'ireo pretra mpanolotra fandaharana, nandritra ny fihaonan'izy ireo androany, teto amin'ny Radio Don Bosco Ivato... ♦ Natao hifampitaizana mankany amin'ny tsaratsara kokoa ilay sata hifampifehezan'ny antoko pôlitika, hoy ny solontenan'ny Kômity mpanara-maso ny fampiharana izany. Nampahafantarina androany, izany sata izany...
♦ Tsy maintsy tanterahina amin'ity taona ity ny fifidianana filoham-pirenena, na misy lesoka na tsia, hoy ny mpamakafaka pôlitika, Toavina Ralambomahay. Nambarany fa tsy tokony hihoatry ny volana janoary 2024 ny tetezamita, raha hisy izany... ♦ Hisy indray ny fihaonana fanin'efany eo amin'ny filoha Frantsay sy Malagasy amin'ity volana jona ity. Tombanana amin'ity herinandro ity na amin'ny herinandro ho avy io no hisian'izany any Paris... ♦ Tobin'ny Jirama 78 amin'ireo 118 no hampivadiana famokarana herinaratra azo avy amin'ny masoandro sy ny fampiasàna solika ato anatin'ny herin-taona. 400 miliara Ariary ny teti-bola hanaovana izany, miaraka amin'ny Banky iraisam-pirenena...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco