♦ Mirehatra mena avokoa ny tondro misy amin'ny sehatra samihafa eto amin'ny firenena ka mametra-panontaniana ny Rodoben'ny mpanohitra ho an'ny Demôkrasia (RMDM) hoe misy mpitondra mamaha ny olam-bahoaka ve eto Madagasikara... ♦ Tsy nisy olana ara-pahasalamana tsikaritra nandritra ny andrana fitrandrahana fasimainty tao Toliara ny taona 2026 hoy Andriamatoa Jean Pascal Valiarimanana, manam-pahaizana manokana momba ny harena ankibon'ny tany... ♦ Tanterahana eny amin'ny kianjan'i Makis Andohatapenaka ny fiadiana ny amboaran'i Afrika amin'ny baolina lavalava, lalaovin'olona 15, ho an'ny Divisiôna voalohany, sokajy vehivavy...

♦ Mampiaka-peo manoloana ny delestazy lavareny misy ankehitriny ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa sy ny fikambanana hafa. Tokony ho entina eny amin'ny JIRAMA ny fitaovana simba any an-tokantrano ahitany ny fahavoazana hoy ny PMH. Mikasa hidina an-dalambe ny fikambanana Gasy Miaro ny Rariny... ♦ Tsy manao ambanin-javatra ny fanadinana BEPC katôlika ireo mpiadina niatrika izany. Tafiditra amin'ny fanadinana tanterahana any am-pianarana mantsy izany ; nifarana omaly ny BEPC Katôlika... ♦ Notoloran'ny PAM fiara tsy mahataho-dalana, ampiasan'ireo foibem-paritra any amin'ny tapany atsimon'ny nosy ny ONN...

07 jona — Tany amin’ny faraparan’ny taonjato faha XI tany ho any i Gilbert no teraka tao Auvergne. Anisan’ireo mpanara-dia an'i Masindahy Norbert tao amin’ny fikambanana  Ordre des Prémontrés moa izy. Miaramila mpitaingin-tsovaly tao amin’ny tafiky ny mpanjaka Louis VI i Gilbert ary nandray anjara ihany koa tamin’ny ady faharoa ho fanafahana ny Tany Masina ny 1147–1149, niaraka tamin’ny mpanjaka Louis VII.

Matio no i Lévi ilay poblikana mpamory hetra, nanaraka avy hatrany an'i Jesoa rehefa niangavian'i Jesoa hanaraka Azy tamin'ny fandalovany ; izy no nanoratra ny Evanjely voalohany. Simon nomena ny fanampin'anarana hoe "Zelote" satria izy dia anisan'ny niaritra ny fanenjehan'ny Rômana tao amin'ny jody. Jodasy Iskariota, olon'i Crioth no voatonona farany amin'ireo Apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...