Tsy misy olona afaka hitoka-monina marina. Marina fa misy ny safidy hitoka-monina, endri-piainana, mitoetra irery. Mitombo ny filana fototra, tsy maharitra tena irery fa mila ny hafa : filàna fitiavana izay miseho amin'ny endrika samihafa. Tsy maintsy misera amin'ny mpiara-belona ny olona : miatomboka ao amin'ny ankohonana ary mivelatra amin'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina - SDB.
Ho an'i Maria, ny herim-po dia avy amin'ny maha reny mendrika azy. Reny tsy mahay afa-tsy ny miahy ireo zanany vavy sy lahy. Tsy misy mahasakana azy amin'izany: na olana toa inona, na fifanandrinana toa inona dia tsy misy mampikemo azy. Tsy mila fihetsika na fangatahana manokana izy mba ho eo, fa na dia amin'ny fomba mangina sy tsy tsapa mivantana aza, dia mijoro amin-kery eo am-pototry ny hazofiajalian'ireo zanany hatrany izy. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahenina.
20 mey 2023 — Sabotsy, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 23b-28)
♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava, androany 19 mey 2023, i Mompera Jean Nicolas Rakotojaona, Pretra diôsezanina avy amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Mbola taraiky amin'ny fampiasana ireo teknôlôjian'ny fifandraisan-davitra i Afrika, ka antony nanaovana ny hetsika DDA na ny Fikaonan-doha fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra aty Afrika. I Madagasikara no mampiantrano izany... ♦ Vola 40 tapitrisa Dolara no hamatsian'ny Banky Iraisam-pirenena an'i Madagasikara amin'ny tetikasa Lead, hanaparitahana fitaovana hahazoana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masonadro...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco