9 mey 2023 — Talata, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 27-31a)
Niadian-kevitra ny 04 mey 2023 teo teny amin'ny foiben-toeren'ny Foibe Fikarohana ampiharina amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra na ny FOFIFA eny Ampandrianomby ny vokatry ny fandalinana ny momba ny masomboly katsaka, tsaramaso, mangahazo, ary ny ovy amin'ireo Faritra telo nanaovana ny fanadihadiana dia ny teto Analamanga, Itasy ary Vakinakaratra.
♦ Misy ihany ny fanambakana sy ny fambotriana ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ao anatin'ilay volavolan-dalàna mifehy ny harena ankibon'ny tany, hoy ny Solombavambahoaka androany, nandritra ny fandinihana voalohany ity volavolan-dalàna ity... ♦ Nidinika momba ny fanohanana bebe kokoa an'i Madagasikara androany, ny Praiminisitra Ntsay Christian, raha nandray ny iraky ny FMI, teny amin'ny Lapan'i Mahazoarivo... ♦ Misy ireo minia mamotika ny orinasa Jirama, hoy ny antoko Otrikafo androany, Ny fampiasana ny menaka mavesatra avy any Tsimiroro hatrany no vahaolana aroson'ny antoko...
♦ Hanatanteraka fitsidihana any amin'ny Distrikan'i Begavo, eo ambany fiarovan'i Masindahy Luigi Orione, ny 21 mey 2023, i Mgr Donatien Randriamalala, Evekan'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Mankalaza ny faha-60 taonany ny Sekoly Masindahy Josefa Morombe... ♦ Hotontosaina ny 14 mey 2023 ny fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy Katôlika. Mikarakara izany ny avy ao amin'ny FFBKEM...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco