♦ Nomarihana androany ny Andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Natao teto an-drenivohitra ny fikaonan-doha hamolavolana ny pôlitikam-pirenena hanentanana ny olona hiady amin'ny fanaparitahana vaovao tsy marina... ♦ Manamafy ny ady atao amin'ny valala sy ny fiarovana ny volin'ny tantsaha mpamokatra ny fitondram-panjakana, manoloana ny firongatry ny andiam-balala amin'izao fotoana izao... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy ny "BNI Lovainjafy", fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, miaraka amin'ny BNI Madagascar...

♦ Efa misy ny olona voafaritry ny lalàna hametraka ny fitoriana eny amin'ny HCC, ka afaka manao izany izy ireo, raha misy fandikàna lalam-panorenana hitan'izy ireo, fa tsy izay rehetra miteny dia hovalian'ny HCC avokoa, araka ny fanamarihan'ny filohan'ity andrim-panjakàna ity... ♦ Tsy anjara andraikitry ny CENI ny mamorona Fokontany. Niteraka ady hevitra mantsy ny fivoizan'ny antoko pôlitika iray amin'ny fisian'ny Fokontany matoatoa any Atsimon'ny nosy... ♦ Notafihin'ny dahalo tamin'ny fomba feno habibiana indray omaly ny mpandeha avy any Vangaindrano ho any Fianaratsoa. Olona iray no namoy ny ainy tamin'izany ary maro no naratra...

♦ 3 mey : Andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety... ♦ Hibahan-toerana amin'ny fivorian'ny parlemantera nanomboka ôfisialy omaly, ny momba ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakana 2023, ny fehezan-dalàna momba ny harena ankibon'ny tany, ary ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola... ♦ Somary nangina tao ho ao, saingy manohy ny fitakiany hatrany ny Sendikàn'ny Mpiraki-draharaham-pitsarana eto Madagasikara... ♦ Efa maherin'ny 500 hatramin'izao ireo namoy ny ainy vokatry ny ady any Soudan ary avo 10 henin'izay ireo maratra...

Ny vokatry ny fifanakalozan-kevitra dia ezahina mba hijanona eo amin'ireo niatrika ny fifanakalozana izany hoe ilàna fahaizana mandanjalanja ny fanapariahana azy. Fiadanam-po ny vokatry ny fifanakalozan-kevitra. Aorian'ny fifanakalozan-kevitra dia ny fahavononana ny hanatanteraka ny dinika no tsy maintsy atrehina mba tsy ho resaka fotsiny. Ilaina hatrany ny fampahatsiahivana izay hevitra tapaka. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...