Manana ny lanjany sy ny anjara toerany manokana ny vehivavy raha ny Soratra Masina no jerena sy dinihina akaiky. Ny Pentateoka na ireo Boky Dimin’i Moizy no hiaingana, ka azo lazaina ho mifandanja sy tsy misaraka, saika matetika, ny fampiasàna ny teny hoe «vehivavy = V» sy «lehilahy = L» (Jenezy in-42 V / in-79 L, Eksaody in-20 V / in-24 L, Levitika in-28 V / in-29 L, Fanisana in-27 V / in-84 L, Deteronomy in-20 V / in-31 L). Raha ny Baiboly iray manontolo kosa no jerena dia miverina in-715 ny teny «vehivavy/ravehivavy/m-behivavy» ary in-1050 kosa ny hoe «lehilahy, ralehilahy/n-dralehilahy). Raha ny Testamenta Taloha (TT) sy ny Testamenta Vaovavo (TV) no ampitahaina dia: in-172 V TT / in-251 V TV ary in-543 L TT / in-799 L TV. 

Ny fampanjakàna ny feon'ny fieritreretana manoloana ny fahamendrehana maha olona no voalohany amin'ny resaka politika tena izy. Rehefa miaina ao anatin'ny fandriampahalemana sy mandroso amin'ny maha olona manontolo azy ny vahoaka, ary miadana sy mahatsapa ho olon'afaka dia izay no politika tsara indrindra. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Alahady 12 marsa 2023 — Alahady fahatelo amin'ny Karemy — Taona A — Ianao tokoa no Mpamonjy an’izao tontolo izao, ry Tompo, ka omeo amin’izany rano izany re aho, mba tsy hangetaheta intsony — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 4, 5-42)

Ny Eglizy dia tsy mitsara ary tsy mandidy ny mpitondra fa kosa mankahery ny mpitondra fanjakàna amin'ny fikatsahana ny soa sy ny tombontsoa iombonana. Ny Eglizy dia manatanteraka ny adidiny amin'ny fanitsiana sy fanoroana ny tsara, ary koa miara-mamindra amin'ny olona rehetra ho an'ny amin'ny famonjena izao tontolo izao. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...