Sitrak'Andriamanitra ny fivoarana sady soa ho an'ny zava-boahary rehetra satria mampamokatra ilay tso-drano tany am-piandohana hoe mitomboa ; ka ilay hoe mitombo dia sady mitombo isa no mitombo hatsarana. Tsara ny manamarika fa tsy fandrosoana ny fandringanana sy ny fifaninanana amin'Andriamanitra ; manoloana ny zava-boahary dia mpanjaka isika fa tsy mpanjakazaka. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
24 jona 2023 — Ny nahaterahan'i Joany Batista — Fankalazana manetriketrika — Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo indrindra: handeha eo anoloan’ny Tompo ianao, hamboatra ny Lalany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 57-66. 80)
♦ Miray hina amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny fandaminana ireo hetsika rehetra anatin'ny Fetim-pirenena, ny Tafika Malagasy, ny Zadarimariam-pirenena ary ny Pôlisim-pirenena... ♦ Azo antoka ankehitriny ny fanaraha-maso ny seranam-piaramanidina sy ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, fa efa manana fitaovana hitiliana izany isika, sy mpiasa voaofana manokana amin'izany... ♦ Nesorina tamin'ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana androany, ireo mpiambina azy eny amin'ny trano fonenany...
♦ Hisantatra ny fandraisana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona amin'ny 27 jona 2023 ny tananan'i Madiokely, vavahadin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Tontosa ny 17 sy 18 jona 2023 tao Ankaditsiary, Distrika Amborompotsy - Ambositra, ny fametrahana an'i P. Cataldo Antonio, sj, tao amin'ny fasana vaovao, hiandrasany ny fitsanganan-ko velona... ♦ Nankatoavin'ny Papa François ny 22 jona 2023 ny maha-olona hajain'ny Eglizy an'i Masera Lucie dos Santos, ilay nisehoan'i Masina Maria tao Fatima, Portugal...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco