♦ Vola hatrany amin'ny 945 tapitrisa sy 10 miliara Ariary no efa nogiazan'ny Sampandraharaha misahana fangiazana ireo harena azo tamin'ny tsy rariny. Tontosa teny amin'ny 67Ha androany, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa niaraka tamin'ny PAC... ♦ Tsy mankasitraka ny hametrahana ny pylone an'ny télépherique manakaiky ny sekoly sy ny handalovan'izany eo ambonin'ny sekoly, ny mpitantana sy mpandrahraha ary ny mpianatra eny amin'ny Sekolintsika Analamahitsy...
♦ Nanatanteraka fiofanana mitohy nandritra ny telo andro, ireo Inspecteurs sy Katesista avy ao amin'ny Misiona telo ao Mandritsara, Diôsezin'i Port-Bergé, nanomboka ny talata teo... ♦ Efa ao anatin'ny fiomanana tanteraka amin'ny fandraisana ireo ankizy avy amin'ny diôsezy manerana an'i Madagasikara, ny Diôsezin'Antananarivo, izay mpandray ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy andiany fahatelo... ♦ Hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Vehivavy Katôlika ny FFBKEM, ny 14 mey 2023 ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
♦ Efa eo am-pandinihana ny hamenoany ny anjarany ao anatin'ny “Basket Fund”, hamatsiana ny fifidianana eto Madagasikara, ny Vondrona Eorôpena, hoy ny Masoivohony... ♦ Tsy marina ny fisian'ny singa hafa amin'ny hena miainga eny Ampasika, araka ny fanamarihana nentin'ireo tompon'andraikitra nidina ifotony teny an-toerana... ♦ Omena sehatra amin'ny FIM, ny vokatry ny orinasa malagasy sy ny fitadiavana lalam-barotra sy mpiara-miombona antoka, eo amin'ny sehatry ny fandraharahana...
Ilàna finiavana sy fahaizana ny mifanakalo hevitra. Manatsara ny fifandraisana eo amin’ny mpivady izany satria ny fifanakalozan-kevitra no ahafahan’ny andaniny sy ny ankilany mifankafantatra, mifankahazo, mifampatoky bebe kokoa hatrany. Ny fifanakalozan-kevitra ihany koa no ahafahana mifampizara ny fihetseham-po sy mifehy izany. Fifanakalozana mivantana, misy hafanana sy hafaliana no entanina araka izay azo atao. Eto dia manamafy ny fomba fiteny Malagasy : “Mpifankatia tsy mifaramafara hono, very ny androtokom-pitiavany, ady no farany”. Fandaharana "miaina sy mitia"
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco