♦ Miharatsy ny tontolon'ny fandraharahana eto Madagasikara tamin'ity taona 2023 ity, hoy ny vondron'ny mpandraharaha malagasy na ny GEM... ♦ Handalo fankatoavana ao amin'ny fivoriana itambarambe anio, ny volavolan-dalàna hifehy ny harena ankibon'ny tany. Miantso ireo Solombavambahoaka handinika amim-pitoniana izany, ny federasiôn'ny mpandraharaha FOM... ♦ Mbola tsy ampy araka ny fenitra iraisam-pirenena, ny isan'ny Paramed eto Madagasikara. Handray ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Infirmiers anio, ny ao Ambatondrazaka...

Ny olona rehefa zatra manely tsaho sy milaza vaovao tsy marina dia zary ra mikoriana ao aminy izay fomba ratsy izany. Ny antony tsaho dia matetika noho ny tsy fitiavana sy tsy fifankahazoana, ny fialonana, ny valifaty. Mety hampisaritaka ny namana, hanimba ny laza ary hampisy herisetra mifandraika amin'izany ny tsaho. Manome fanafintohinana olona ireo mpanely tsaho, azo ambara ho fahotana. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

12 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 12-17)

♦ Tontosaina eto Madagasikara, mandritra ny roa andro, ny fivorian'ny Filankevitry ny Governora, avy amin'ny firenena 24 mpikambana ao amin'ny fandintseranana, Faritra Afrika Atsinanana sy Atsimo... ♦ Efa eo am-pijerena ireo fiaraha-miasa vaovao amin'i Madagasikara indray, ny Vondrona Eorôpeana ankehitriny. Nampahafantarina androany ireo tetik'asa an-jatony, izay hataony eto amintsika... ♦ Ho avy tsy ho ela eny Talata-Volonondry ny fitaovana vaventin'ny orinasa ejipsiana, hanaovana ny làlana migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...