Ilaina eo amin'ny fiainana ny fitiavana sy ny fahamarinana ary ny fifampitokisana. Ireo telo ireo no mitondra ho amin'ny fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

♦ Hiverina anio eny Tsimbazaza ny fihaonana arahana fametrahana fanontaniana eo amin'ireo solombavambahoaka sy ny mpikamban'ny governemanta, rehefa tsy nisy tamin'ny fivoriana ara-potoana farany teo... ♦ Antoky ny fahombiazana ara-toekarena eo amin'ny firenena iray ny famokarana sy fanjifana ireo vokatra vita eo an-toerana hoy ny filohan'ny SIM... ♦ Hiatrika fanazaran-tena miaraka avokoa ireo mpilalao avy eto an-toerana sy avy any ivelany voaantso handrafitra ny Barea manomboka ny 12 jona izao, hoy ny mpanazatra Maître Rôrô... ♦ Nizotra tsara ary tsy nisy fahasarotana ny fandidiana natao tamin'ny Papa François omaly, efa nahatsiaro tena izy...

Ny firotsahana anatin'ny fiseraserana "amin'ny fo sy sandry mivelatra" dia tsy mahakasika fotsiny ireo mpikirakira matianina amin'ny fitaova-pifandraisan'ny mpiara-belona fotsiny fa dia tena andraikitry ny tsirairay mihitsy. Samy voaantso hikaroka sy ny hanambara ny fahamarinana avokoa isika rehetra, ary hanao izany anatin'ny tena fitiavana. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

8 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...