♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'ny Arsevekan'Antananarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ny Diôsezin'Antananarivo ; ka notendren'ny Ray masina handimby azy, i Mgr Jean de Dieu Raoelison... ♦ Notontosaina omaly ny fizakana ny Seminera Zandriny Ambohipo, ary nanentana ny kristianina rehetra izy ireo, fa maro tokoa ny ezaka izay hatao amin'ny fanabeazana ireo izay ho pretra rahatrizay... ♦ Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fankalazana iombonana ny Sakramenta Masina, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, eo amin'ny Kianjan'i Masina Misely Amparibe...
♦ Nalain'ny mpitandro filaminana tao an-tranony androany maraina i Doris Rakoto Samuel, vadin'i Mahery Lanto Manandafy na i Malama... ♦ Ho entina amin'izao vaovao izao koa fa mbola tsy mitovy hevitra amin'ny fidirana indray ao anaty tetezamita ireo mpanao pôlitika... ♦ Manampy ireo tanora hitantana ny fako ao an-drenivohitra ny CRS Madagascar... ♦ Any ivelany : Olana ara-teknika tamin'ny fitaovana fanoroan-dalana ireo fiaran-dalam-by no nitarika loza namoizana ain'olona an-jatony tany Inde...
Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona hitsahatra amin’ny fitantanana ny Arsidiôsezin’Antananarivo ary notendrena handimby azy i Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan’Ambatondrazaka.
♦ Manamarika ny andro maneran-tany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona isika anio... ♦ Hodinihina ny hanomezana Faritra mitokana ho an'i Maroantsetra sy Mananara-Avaratra, hoy ny filohan'ny repoblika Rajoelina Andry. Nanome hafatra ho an'ireo manome baiko amin'ny manakana azy kosa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana... ♦ Mbola manjaka ny delestazy, nisy ireo mponina nidina an-dalambe naneho ny hatezerany momba izany olan'ny herinaratra izany... ♦ Navesatra ny vokatry ny fifandonan'ny fiara an-dalam-by miisa telo tany Inde...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco