♦ Mbola tsy nahitam-bahaolana mazava hatramin'ny androany, ny fitarainan'ireo mpandraharaha lavanila tamin'ny fitondram-panjakana... ♦ Manoso-kevitra hametrahana fanjakana vaovao na "État nouveau", Andriamatoa Gérard Andrialemirovason, mpanao pôlitika akaiky ny Amiraly Ratsiraka. Nambarany androany, fa tsy marin-toerana intsony ny fitondrana ankehitriny... ♦ Mbola tsy tafaverina eny anivon'ny fianakaviany, herinandro aty aoriana, ilay zaza varira 9 taona, nisy naka an-keriny tany Vangaindrano...
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 11, 1-7)
Ry kristianina havana,
ny finoana no santatry ny zavatra antenaina,
sy porofon’ny zavatra tsy hita.
Nanam-pinoana ny Ntaolo ka izany no nahatsara laza azy.
Ny finoana no ahafantarantsika fa ny Tenin’Andriamanitra
no namoronana izao tontolo izao,
fa tsy mba zavatra hita no nanaovana izao zava-miseho izao.
Ny finoana no nanoloran’i Abela tamin’Andriamanitra
sorona tsaratsara kokoa noho ny an’i Kaina,
sy nilazana azy hoe marina,
fa nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony;
ary noho izany ihany koa, na dia maty aza izy,
dia mbola miteny ihany.
Ny finoana no namindrana an’i Enôka tsy hiharan’ny fahafatesana,
ka tsy hita intsony izy fa nafindran’Andriamanitra,
ary talohan’ny namindrana azy dia voalaza
fa nankasitrahan’Andriamanitra izy.
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa:
satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy,
sady mamaly soa izay mitady Azy.
Ny finoana no nandrafetan’i Nôe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany,
fa natahotra izy nony efa nilazan’Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita;
ary izany no nanamelohany an’izao tontolo izao
sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin’ny finoana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 144, 2-3. 4-5. 10-11)
Misaotra Anao isan’andro aho,
sy midera ny Anaranao mandrakizay!
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra;
tsy azo takarina ny halehibeny!
Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao,
sy mankalaza ny asanao mahery,
manambara ny harevaky ny voninahitrao,
mitantara ny asanao mahagaga.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ry Tompo,
ary ampianaro ahy ny Fitsaranao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 1-12)
Tamin’izany andro izany,
nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany
ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray,
dia niova tarehy teo anatrehany Izy.
Tonga nanjelajelatra sady fotsy hoatry ny oram-panala ny fitafiany,
ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany ety an-tany.
Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy,
sady niresaka tamin’i Jesoa.
Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra aty;
aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao,
ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia.”
Fa tsy fantany izay nolazainy,
satria raiki-tahotra loatra izy ireo.
Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy;
ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe:
“Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy.”
Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo,
nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy.
Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo,
dia norarany tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany,
mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona ho velona.
Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany,
sady mifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe mitsangan-ko velona.
Ary nanontany Azy izy ireo nanao hoe:
“Ahoana àry no ilazan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna
fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?”
Dia hoy i Jesoa hoe:
“Tsy maintsy ho avy aloha i Elia sy hanavao ny zavatra rehetra;
fa ahoana kosa no nanoratana ny amin’ny Zanak’Olona
fa tokony hijaly mafy Izy sy hotevatevaina izaitsizy?
Ary lazaiko aminareo fa efa tonga sahady i Elia,
sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony,
araka ny nanoratana azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Ny fanafainganana ny fametrahana ny ZLECAF na ny Sehatra Hifanakalozana aty amin'ny Kaontinanta Afrikana no hifantohan'ny fivoriambe ara-potoana faha-36 ho an'ny Vondrona Afrikana. Hanomboka amin'ny 18 febroary izao izany any Addis Abbeba ka handray anjara amin'izany i Madagasikara... ♦ Mbola manana hatramin'ny faran'ny volana febroary izao ireo orinasa nahazo ilay taratasy fanitsiana ara-ketra avy amin'ny foibem-pitantanana ankapobeny hetra mba hamalian'izy ireo izany... ♦ Namoaka ny tetiandro ho an'ny fanadinana bakalôrea ny ministera. Ho tanterahina ny 17 hatramin'ny 21 jolay 2023 izany ho an'ny fampianarana ankapobeny sy ny tapany voalohany ho an'ny bakalôrea teknika...
Bokin’i Siràka (Sir. 15, 15-20)
Raha sitra-ponao dia hitandrina ny didy ianao;
miankina amin’ny sitraky ny fonao, ny tsy mivadika.
Nataony eo anoloanao ny afo sy ny rano,
azonao atsotra amin’izay tianao ny tananao.
Eo anoloan’ny olombelona ny fiainana sy ny fahafatesana,
ka izay fidìny dia homena azy.
Fa lehibe ny fahendren’ny Tompo;
sady mahery Izy no mahefa, ary mahita ny zavatra rehetra.
Ny masony dia eo amin’izay matahotra Azy,
ary fantany avokoa ny asan’ny olombelona.
Tsy misy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana,
tsy misy olona nomeny lalana hanota.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 118, 1. 2. 4-5. 17-18. 33-34)
Sambatra izay madio famindra,
fa mizotra amin’ny Lalàn’ny Tompo!
Sambatra izay mitandrina ny Fanambaràny,
sy mitady azy amin’ny fony tontolo!
Ianao ihany no namoaka ny Lahatrao
mba hotandremana fatratra.
Enga anie ho marin-toetra ny lalako
amin’ny fitandremana ny Fitsipikao!
Asio soa ity izaho mpanomponao:
ka ho velona sy hitandrina ny Teninao!
Alao tampina ny masoko hibanjina
ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao!
Tompo ô, toroy ny lalan’ny Fitsipikao aho,
mba hitandremako azy hatramin’ny farany.
Omeo fahalalana aho hitandremako ny Lalànao,
sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo!
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 2, 6-10)
Ry kristianina havana,
mitory fahendrena amin’izay efa lavorary ihany izahay;
nefa tsy mba ny fahendren’izao tontolo izao izany,
na an’ny mpanjakan’izao tontolo izao, izay olona efa ho levona;
fa fahendren’Andriamanitra no torìnay,
dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina,
izay voatendrin’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao
hampahazo voninahitra antsika;
ary tsy nisy nahatakatra izany ny mpanjakan’izao tontolo izao
(satria raha nahalala izy,
dia tsy ho namantsika ny Tompon’ny voninahitra tamin’ny Hazofijaliana);
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe:
Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina,
na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively
no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.
Tamintsika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny;
satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy,
na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao.
Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-37)
Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany;
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia iray
na tendrin-tsoratra iray akory aza,
mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany,
izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra.Lazaiko aminareo,
fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna
sy ny Farisianina ny fahamarinanareo,
dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny Fitsarana.Ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrìna;
ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny namanao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny namanao
vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra,
ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
Aza mijangajanga.
Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao,
dia esory izy ka ario lavitra anao,
fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very,
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao,
dia tapaho ka ario lavitra anao,
fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very,
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary koa efa voalaza hoe:Na iza na iza hisaotra ny vadiny,
dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany,
dia mampijangajanga azy;
ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga.Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory,
na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy;
na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy;
na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izy;
na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty
na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia;
fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao.
Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-22a. 27-28. 33-34a. 37)
Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Lazaiko aminareo,
fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna
sy ny Farisianina ny fahamarinanareo,
dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo.Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny Fitsarana.Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
Aza mijangajanga.
Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory,
Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia;
fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco