18 mey 2023 — Alakamisy, I Jesoa Kristy niakatra any an-danitra — Taona A — Fankalazana manetriketrika — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 16-20)
♦ Hatao eto Antananarivo ny 26 hatramin'ny 30 jolay 2023, ny andiany fahatelo amin'ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy eto Madagasikara. Notanterahana androany ny fiantsoana ireo ankizy hanatrika ny JNE, avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Nampiantrano ny Filankevitry ny Minisitra mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana na ny COI, andiany faha-37, tetsy amin'ny CCI Ivato androany, i Madagasikara...
♦ Hifarana afaka 14 andro ny fisoratana anarana ao anatin'ny lisitry ny mpifidy, amin'izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izao, ka manentana ny olom-pirenena hanao izany ny eo anivon'ny CENI... ♦ Vola 9,5 tapitrisa Euros no nomen'ny Governemanta Frantsay, ho an'ny Governemanta Malagasy. Hampiasain'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana... ♦ Nidina ifotony nanazava ny momba ny tetikasa télépherique, teny amin'ireo sekoly handalovan'ny Zotra Volomboasary, ny teknisiana avy amin'ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana...
Na mbola tsy mahalala kolikoly aza ny zaza dia efa misy fanabeazana azo atao mba tsy hitodika amin'izany izy. Na tsy resahana ny zaza àry ny hoe kolikoly dia ny fomba fihetsika manoloana azy mihitsy no mila tandremana mba tsy hampirona azy amin'izany. Tsy ny resa-bola ihany no endrika isehoan'ny kolikoly fa maro ary isan'izany ny fomba fiteny, ka eo indrindra no miditra ny fanabeazana ny toe-tsain'ny zaza dieny mbola kely izy...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco