I Jesoa irery ihany no Tenin'Andriamanitra arahintsika sy iainantsika ary hampanjakaina eto an-tany. Mila hijoroana hatramin'ny farany na dia hamoizana aina azy ny maha Tenin'Andriamanitra Azy. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Alahady 18 desambra 2022 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24
♦ Samy mitsipaka ny fanonganana ny birao maharitra eny amin'ny Antenimeram-pirenena ny solombavambahoakan'i Sakaraha Razakandrainy Dominique sy ny solombavambahoakan'i Tsiroanomandidy Ramaherijaona Hajaniriana... ♦ Niditra Hopitaly indray i Sedera kely, ilay ankizilahy 13 taona notifirin'ny dahalo tany Ambohijafy-Toamasina. Tsy azo atao intsony ny fandidiana azy hoy ny lehiben'ny Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha... ♦ Mitaky amin'ny fanjakàna handoavana ny anjara vola tamberimbidy avy amin'ny tetik'asa Ambatovy ireo Ben'ny Tanàna voakasik'izany. Misy akony ratsy amin'ny fampandehanana ny Kaominina ny fampihatoana hoy izy ireo...
♦ Nifarana omaly ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny andriam-panjakàna mpanao lalàna eto Madagasikara. Niantso fitoniana pôlitika ny filohan'ny antenimeram-pirenena Razanamahasoa Christine. Nidera ny zava-bitan'ny governemanta ny Filohan'ny antenimieran-doholona Razafimahefa Herimanana... ♦ Madio sy mangarahara ny fitantanam-bola eny amin'ny antenimieram-pirenena hoy ny Kestora voalohany misahana ny vola... ♦ Mbola manamafy ny fitakiana hanohizana ny fizarana ny tamberim-bidy arotsaky ny orinasa Ambatovy any amin'ny kitapom-bolam-panjakàna ho an'ireo kaominina tokony hisitraka izany ny vovonan'ny firaisamonim-pirenena momba ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany na ny OSCIE...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco