Lehibe ny hery sy tanjaka raketin'ny Tenin'Andriamanitra ka mahatonga izany ho fiankinana sy hery ho an'ny Eglizy sy ho an'ny zanany ary koa ho herin'ny finoan'izy ireo, ho sakafon'ny fanahiny, ary ho loharano tsy mety ritra. Ivon'ny Soratra Masina rehetra ny Evanjely, noho izy ireo manambara ny porofo ambony indrindra momba ny fiainana sy momba ny fampianaran'ny Teny tonga nofo. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Zoma 16 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitray ô, ny tavanao aseho dia ho voavonjy izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 33-36
♦ Nihemotra indray ny fanenjehana ireo mpitondra ambony teo aloha eo anivon'ny Haute Cour de Justice. Anarana minisitra teo aloha 12 no notononina teny Tsimbazaza fa naharaisana antontan-taratasy fanenjehana, ka tokony natolotra ny Fitsarana Ambony... ♦ Teratany Srilankais iray indray no tra-tehaka tetsy Ivato, rehefa saika hitondra vato sarobidy ho any ivelany. Tratra tany anaty fitombenany ireo vato sarobidy tanaty fonosana maromaro... ♦ Mponina mihoatra ny 2 alina sy 4 hetsy sy 3 tapitrisa no hisitraka rano fisotro madio sy fotodrafitr'asa fanadiovana, anatin'ny tetikasa PAAEP...
♦ Miezaka misoroka ny tsy hisian'ny korontana eto Madagasikara ny vondrona afrikana, ka mampiantso ireo mpisehatra voakasik'izany mifanakalo hevitra amin'ny alalan'ny atrik'asa mandritra ny roa andro hifarana anio... ♦ Nambaran'ny filohan'ny fikambanana ZaViavy Miray Hina fa mila apetraka eto amintsika ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Mivangongo ampelan-tanan'ny olom-bitsy ny fahefana eto Madagasikara hoy izy... ♦ Hotanterahana eto Madagasikara ny 25 aogositra hatramin'ny 03 septambra 2023 ny lalaon'ny nosy andiany faha-11, araka ny tapaka nandritra ny fivorian'ny Filan-kevitra iraisam-pirenen'ny lalaon'ny nosy aty amin'ny Faritry ny ranomasimbe indiana. Tanàna dimy no hanaovana izany...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco