Alakamisy 9 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 19-31)

♦ Nakotrokotroka androany ny fanamarihana ny Andro eran-tany ho an'ny Vehivavy. Teny Mahamasina ny ivon'ny fanamarihana nasiônaly, niarahana tamin'ny vadin'ny Filoham-pirenena... ♦ Voasakana kosa ny hetsiky ny Vehivavy TIM, izay saika hanamarika ny Andro maneran-tany ho an'ny Zon'ny Vehivavy, teny amin'ny Magro Behoririka, androany... ♦ Nahazo rariny teny amin'ny Filankevi-panjakana ireo mpampianatra, momba ilay raharaha tany Alakamisy Itenina. Nolavin'ny Fitsarana ny fangatahana fampiatoana sazy ireo mpianatra tsy nanaja ny fitsipiky ny sekoly sy tsy mety mihira ny Hiram-pirenena...

♦ Manaitra ny praiministra lehiben'ny governemanta ny amin'ny tokony hirosoana amin'ny fifidianana kaominaly ny antoko MMM. Tsy azo iodivirana ny hanaovana izany fifidianana izany amin'ity taona ity hoy ny filoha nasiônalin'ny antoko, Hajo Andrianainarivelo... ♦ Tanterahana ao Antananarivo-Renivohitra mandritra ny telo andro ny fanofanana momba ny Aro Loza sy ny fahasalaman'ny mpiasa... ♦ Nahazo zanak'akoho natao ompiana avy amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana hanatsaràna ny fidiram-bola ireo vehivavy anatin'ny fikambanana Ampela Mijoro...

Ny 08 marsa no fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy. Ny loha-hevitry ny fanamarihana amin'ity taona 2023 ity dia : "Fanabeazana ny ankizivavy, fampizankan-tenan'ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy". Ny 8 marsa dia andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy satria hita kokoa ny fisongadinan'ny fihenan-danjan'ny hasin'ny vehivavy. Isan'ny zo : manan-jo hiaina ao anaty fahalalahana tsy hiaran'ny herisetra ; zo ho salama vatana saina, zo hahazo fahalalana, zo hifidy, zo hanana asa mendrika, zo hanana fananana. Hafatra : aoka isika hafantatra ny zon'ny vehivavy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...