♦ Mbola tsy voafaritra ny fotoana hiakaran'ireo tompon'andrakitry ny Transparency International Initiative Madagascar, fampanoavana. Manao ranolava ny fanambarana momba ny raharaha nahasaringotra azy ireo... ♦ Nirefotra ny basy teny Anosibe omaly. Jiolahy miisa fito saika handroba no lavon'ny SAG... ♦ Andrasana anio ny valin'ilay tombana natao tamin'ireo Tale maromaro eo anivon'ny orinasa Jirama. Hiverina hiasa anio koa ny Tale Jeneralin'ny Jirama, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran'afo...
Ny fahitantsika an'i Jesoa dia midika fa tahaka Azy Andriamanitra na tsy mbola niseho tamin'ny tena endriny azy. Any amin'ny Testamenta Taloha dia amin'ny alalan'ny zavaboahary no nisehoan'Andriamanitra fa aty amin'ny Testamenta Vaovao dia io Jesoa nomena antsika io no manambara Azy Ray. Ny naneken'i Jesoa natao Batemy dia mba hantanteraka ny fandaharan'Andriamanitra momba Azy sy ny momba antsika. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
25 nôvambra — Teraka manodidina ny taona 290, tao amin'ny fianakaviana andriana tao Alexandrie (Egypte), i Catherine, ary tao ihany no nodimandry, ny taona 307. Vehivavhy naraini-tsaina tokoa izy, ka ny fahalalana norantoviny sy nananany dia nahafahany nilahatra tamin'ireo pôeta sy filôzôfa nalaza tamin'ny fotoan'androny.
Zoma 25 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 29-33
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco