♦ Efa naparitaka ny fanasàna ho an'ireo hanatrika ny fanokafàna amin'ny fomba ôfisialy ny fikaonan-doham-pirenena etsy amin'ny CCI Ivato. Anisan'ireo nahazo fanasàna ny filoha teo aloha Andry Rajoelina... ♦ Marihina androany ny andro maneran-tany iadiana amin'ny kolikoly. Nisy ny hetsika mifandraika amin'izany ny antoandro teo teny Anosy sy tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato... ♦ Mangataka fanazavana bebe kokoa amin'ny Fanjakàna momba ilay vaksiny ho an'ny ankizivavy ny Arsevekan'Antsiranana. Nitondra fanamarihana ny momba ity vaksiny ity ny Mgr Benjamin Marc Ramaroson, omaly...

Ny omby noho ny hasiny teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia nasolo olona amin'ny sorona na fomba maro. Ny hena amin'ny omby iray dia voatsinjara araka ny voninahitry ny olona na ny toerany ara-piaraha-monina,na fifandrohina ara- pihavanana. Amin'ny ala volon-jaza dia ny nofo-kena sy ny trafony no hanatontosàna ny fomba, ; amin'ny fandevenana dia samy manana ny zara hena ny tompo-manjo sy ny fianakavian'ny maty, ny vehivavy sy ny lehilahy mpanotrona. Ny renim-bintana 12 dia misy lokon'omby mifanandrify aminy : Adaoro dia loko mainty misy fotsy ny handriny sy ny trafony, antsoina hoe vatoambo...

♦ Haharitra 18 ireo dingana fakàn-kevitra amin'ny dinika fanavaozam-pirenena mialohan'ny fandravonana, araka ny volavolan-kevitra naroson'ny FFKM... ♦ Mandrahona hiroso amin'ny fitokonana faobe ny mpiasan'ny Madarail rahampitso. Nilaza ho tsy afa-po tamin'ny famaliana ny fitakiany izy ireo tamin'ny fihaonana tamin'ny Ministeran'ny Fitanterana omaly... ♦ Efa nisy ny tamboho nirodana amin'ny toerana avo ao an-drenivohitra, vokatry ny orambe nisesisesy tato ho ato. Miantso ny rehetra ho mailo ny kaominina Antananarivo amin'izao fahavaratra izao... ♦ Nilaza ny filohan'i RDC omaly fa tsy nohajain'i Rwanda sahady ny fifanarahana fampitsaharana ady...

Mankalaza ny misterin'ny Paka ny Eglizy, araka ny lovam-pampianaran'ny apôstôly efa hatramin'ny andro nitsanganan'i Kristy ho velona mihitsy, isaky ny andro fahavalo, izay tena antsoina marina hoe Andron'ny Tompo, na alahady. Ny andro nitsanganan'i Kristy ho velona dia sady "andro voalohany amin'ny herinandro" no "andro fahavalo"... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P.  Raphaël Eugène Ralison.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...