♦ Miainga eto Antananarivo sy Toamasina avokoa ny 50% amin'ny harin-karena faobe eto Madagasikara. Niara-nandinika ny hanohizana ny tetik'asa "TATOM" izay drafi-panajariana an-tanàn-dehibe ho an'Antananarivo sy Toamasina noho izany omaly ny mpitondra sy ny mpiara-miombon'antoka... ♦ Mandalo krizy ny tontolon'ny lavanila eto Madagasikara saingy tsy hihemotra amin'ny fanadiovana sy ny fanavaozana hisitrahan'ny Malagasy tombontsoa, dia ny tantsaha sy ny mpandraharaha ny Fitondram-panjakàna... ♦ Efa eo am-paomanana ireo antotan-taratasy ahafahana misitraka ireo famatsiam-bola hiatrehana ny fiovaovan'ny toetr'andro i Madagasikara...

Ny fidonanam-poana dia toetra ratsy apetraky ny demony ao anatintsika sy miseho eo amin’ny fahalainana hanao zavatra sy ny hakamoana ka tsy hahafahana miroso amin’ny tsara sy ny fahamasinam-piainana araka ny sitrapon’Andriamanitra. Rehefa tsy manao na inona na inona ny olona iray dia misosoka moramora ao aminy ny sain-dratsy, ny asa ratsy ary ny toetra ratsy. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

Alarobia 15 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 22-26)

♦ Mandalo krizy ankehitriny ny tontolon'ny lavanila eto Madagasikara. Araha-maso akaiky ny fanondranana lavanila, hisorohana ny hosoka sy ny fanararaotana samihafa, hoy ny Minisitra Egard Razafindravahy... ♦ Nifampidinika hanohizana ny famatsiam-bola ny tetikasa Tatom, drafi-panajariana an-tanan-dehibe, ho an'Antananarivo sy Toamasina, ny mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola... ♦ 14 febroary, andron'ny mpifankatia: Tamin'ny alalan'ny fanomezan-dra no nanamarihan'ny AFT eny Andavamamba izany. Famelabelarana momba ny lohahevitra : "Mahay mitia ve ?" no nentin'ny CDA Andohatapenaka nankalazana izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...