Mba hialana fidonana-poana dia mila volavolaina dieny mbola kely ny ankizy. Hoy ny fitenenana hoe: “ny Hazo no vanokolakana dia ny tany naniriany no tsara.” Zarina hitia ny asa dia mbola kely ny ankizy. Marina fa hoe ny fananana finoana dia isan'ny hahazoana famonjena fa ny asa dia tsinontsinona. Kanefa ny tenin'Andriamanitra dia milaza amintsika fa ny finoana tsy misy asa dia maty. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

Talata 14 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)

♦ Andro maneran-tany ho an'ny radio androany. Mbola fitaovan-tserasera be mpanaraka maneran-tany ny radio... ♦ Mbola tsy misy fiantraikany amin'ny toetry ny andro eto Madagasikara ireo rivodoza roa any atsinanan'ny Ranomasimbe Indiana. Araha-maso akaiky manomboka amin'ny faran'ny herinandro anefa ny fivoaran'ny rivodoza Freddy... ♦ Notafihan'ny jiolahy efa-dahy mirongo basy, androany vao maraim-be, ny mpandraharaha iray tany Ambohiborona Ambatofotsy, Distrikan'i Faratsiho. Lasan'ny jiolahy tamin'izany ny vola manodidina ny 30 tapitrisa Ariary...

♦ Nanentana ny kristianina rehetra mba hitandro ny fihavanana sy ny fiandraisana eo amintsika samy isika sy ny fifandraisana amin'Andriamanitra, i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz nandritra ny fametrahana azy tamin'ny fomban'ny Fiangonana. ho evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Anisan'ny nanamarika ny andro natokana hivavahana ho an'ny marary, izay marihana isaky ny 11 febroary, ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Ny fanazavana ny tenin'i Jesoa hoe : “Tsy tonga handrava ny lalana, aho, fa hanatanteraka”, no fampianarana nentin'ny Papa François nandritra ny vavaka Angelus omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...