Sarotra ny fampitana ny finoana amin'ny tanora ao an-tokantrano noho ireto antony ireto : mafy ny tosika etin'ny teknôlôjia, miakatra ny vidim-piainana, tsy miaina loatra ny finoana ny olona fa mihefitra izany ho fialamboly. Tsy afaka ny hilaza isika fa tsy mila ny fandrosoana , indrindra ny teknôlôjia, satria azo lazaina fa efa tara be isika eto Madagasikara mihoatra amin'ny firenena hafa. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Zoma 6 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga Zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 6b-11
♦ Tontosa androany maraina tao Vatican ny fandevenana ny Papa Emérite Benoît XVI. Nipetraka ho tantara satria tsy mateti-pitranga ny fisian'ny Papa iray mandevina ny Papa izay nodimbiasany toy ny nisy androany... ♦ Manoso-kevitra ny hanatsaràna ny lalàm-pifidianana amin'ny alalan'ny fakan-kevitra isam-paritra ny KMF/Cnoe. Kendrena hatolotra holanian'ireo Parlemanta mpanao lalàna amin'ny volana mey ny volavolan-dalàna voaravona amin'izany... ♦ Efa tena mafy ny teritery matoa nametram-pialàna ny Governoran'ny Banky Foiben'i Madagasikara hoy ny mpahay toe-karena iray eo anivon'ny CREM. Nambarany fa tsy te ho tratra farany amin'ny fakam-bola tsy mety eo anivon'ny BFM Andriamatoa Henri Rabarijohn...
Vaovao ny taona (2023), firariantsoa no tsara hifampizarana. Hirina mba hitondra fahatsaram-piainana noho ny vina sy ny tanjona ity taona ity. Mamporisika antsika hanao ezaka ary hijoro amim-pahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Ramakavelo Désiré.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco