♦ Hanatanteraka ny visite Ad Limina apostolorum any Rôma ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny 21 hatramin'ny 29 ôktôbra 2022... ♦ Tontosa ny 12 ôktôbra 2022 ny fanokafana ny taom-pianarana 2022-2023 ho an'ny Sekoly Katôlika manerana ny Distrikan'i Betafo Antsirabe... ♦ Mankalaza ny faha-100 taona ny gazety-boky "Monde et Mission"...
Hanohana ny FAFIALA amin'ny fampiroboroboana ny sehatr'asa ataony indrindra fa ho an'ny lalam-pihariana landy ny Ministeran'ny Asa Tanana sy ny Hai-tao sy ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Nivoitra izany nandritra ny lanonana nankalazana ny ivon'ny faha-30 taona nijoroan'ity foibe ity ny sabotsy 08 ôktôbra lasa teo teny amin'ny foiben-toerany teny Ambohimangakely, Distrika Antananarivo-Avaradrano.
♦ Miisa 179 ireo voafonja teny Antanimora no tsy afaka niatrika ny fitsarana, tao anatin'ny herinandro nanaovan'ny mpiraki-draharaham-pitsarana fitokonana... ♦ Nidina ifotony nanentana amin'ny fanajana ny lalana sy niantso fitoniana ny OMC any Morondava manoloana ilay horonam-peo niparitaka, mivoy fandatsahana ain'olona... ♦ Nahetsika androany ny zandary 250, hanampy ireo olona 600 hamono afo any Ambohitantely Ankazobe...
Afrika no kontinanta manana tanora be indrindra. Tombony ho an’ny fampandrosoana sy ny hoavin’ny firenena iray izany raha toa voabe sy mahazo ny tohana araka ny ilaina ireo tanora. Maro anefa ireo fanamby atrehin’ny tanora amin’izao fotoana izao. Mila ampiana izy ireo manoloana izany, hahalala ny tenany, hamantatra sy soatoaviny ary hahay hametraka fitsipi-piainana izay hahafahany miatrika ireo zava-manahirana lalovany...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco