♦ Mbola tsy maty ny afo eny Ambohitantely Ankazobe hatramin'izao. Olona 600 no hifarimbona hamono ny afo eny an-toerana anio, izay hiara-hisalahy amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana... ♦ Mandeha amin'ny ampahany ny asam-pitsarana eny Anosy, na eo àry ny fitokonana ataon'ireo mpiraki-draharaham-pitsarana. Fitokonana izay efa naharitra herinandro... ♦ Nosoketain'ny mpanakanto sasantsany ho manjakazaka ao amin'ny OMDA ny antoko Freedom. Misy amini'reo mpanakanto, noho izany, no mitaky ny hanakatonana ny OMDA...

14 ôktôbra — Niaina tany amin'ny taonjato fahatelo tany i Calixte na Calliste ary martiry. Kristianina izy, fa andevo babo, ary nasain'ny tompony nitantana banky iray. Tsy nahay nitantana izy ka lasa bankirompitra izany banky izany ary nohelohina izy ho any amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, tany Sardaigne.

Ny fijoroan'ny renim-pianakaviana ho mpanohana sy mpankahery ny vadiny dia efa tohana lehibe sady mandrisika azy hiasa. Adidin'ny raiaman-dreny ny mamelona ny zanaka, sady zon'izy ireo koa ny ho toy ny zana-bahoaka : misakafo, mianatra, mitafy, milalao. Ny fandraisana andraikitra sy fizarana asa madinika ao an-trano dia tsy fampiasana zaza fa fanazarana azy. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Zoma 14 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra favalo amby roapolo Mandavantaona — Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 1-7

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...