♦ Hitohy ary tsy anavahana na iza na iza ny fanenjehina ireo tafiditra amin'ilay raharaha fanapohana solika, hoy ny ministry ny angovo sy ny akoran'afo omaly. Efa nisy fivarotan-tsolika nakatona, noho ity raharaha ity... ♦ Vao mainka miaina anaty fatiantoka ny JIRAMA amin'ny famokarana herinaratra. Efa lany sahady ilay vola fanampiana 500 miliara Ariary ho an'ity orinasam-panjakana ity, voafaritra tao anatin'ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2022... ♦ Hampiasa logiciel vitan'ny teknisiana malagasy ny CENI amin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy hanomboka amin'ny volana ôktôbra izao. Voalaza fa afaka hitsirika ireo anarana miverimberina na "doublons" io rafi-baiko io...
27 septambra — Teraka ny 24 aprily 1581 tao amin’ny tanana kely ao Landes antsoina hoe Pouy i Vincent de Paul. Fianakaviana tantsaha manetry tena no nipoirany, mpiandry kisoa no asany tamin’ny fahatanorany. Nanapa-kevitra ny hanao pretra izy ka nanohy ny fianarana tany Dax sy tany Toulouse teo amin’ny fahenina ambin’ny folo taonany.
Ho tonga olombanona sy tafita eo amin'ny fiainana ary mifikitra amin'ny finoana no fanirian'ny ray aman-dreny ho an'ny zanany. Hany ka rehefa maditra ny zanany dia lazainy fa "tsy mitovy amin'izay zana-bahoaka fa manata-bava". Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
Talata 27 septambra 2022 — Masindahy Vincent de Paul — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 35-38
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco