Ny fijoronao amin'ny maha-izy anao dia mahasarika ny hafa ary mandrisika azy hanaraka sy hihaino anao. Ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana malagasy iray rehefa manaja sy miaina tsara ny kolontsaina malagasy, satria ao anatin'io kolontsaina eo an-toerana io ihany no afaka mamaka eo amin'ny fiainan'ny tsirairay ny Evanjely. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Zoma 21 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 54-59

♦ Hisy fiantraikany amin'ny fifandraisan'i Madagasikara amin'i Rosia ny zava-misy ara-dplômatika eto amin'ny firenena, hoy ny antoko Fiombonana. Nambaran'izy ireo fa tsy azo iverenana intsony ilay fanapahan-kevitra noraisin'ny fitondrana Malagasy, momba iny raharaha iny... ♦ Ho tonga ara-potoana eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana... ♦ Nihemotra ny fotoam-pitsarana an'Andriamatoa Marcel Rakotomalala, ilay raim-pianakaviana voarohirohy tamin'ny resaka fanaovana vola sandoka...

♦ Tokony entanina hanatona ny fitsarana ireo olona tsy manana kara-panondrom-pirenena ka te hahazo izany, hoy ny antoko VHT na Vonona Hijoro ho an'n Tanindrazana... ♦ Homarihana any Toamasina amin'ny faran'ny herinandro izao ny Andro Eran-tany ho an'ny Angovo. Horesahana mandritra izany ny olana momba ny angovo, indrindra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena... ♦ Mila pôlitika mazava ny fifindra-monina eto Madagasikara, hisorohana ny fahasimban'ny ala andehanan'ny mpifindra monina, hoy ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...