Zoma 9 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 39-42

♦ Namaly ny fanakianana nataon'ny Vondrona Eorôpeanina azy, androany, ireo mpikambana ao amin'ny HCC. Nandefa taratasy misokatra any amin'ny Masoivohon'ny Vondrona Eorôpeanina eto amintsika, ny Filohan'ity andrim-panjakana ity... ♦ Nandiso ny vaovao niparitaka ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra, fa tsy misy idirana ny momba ilay fanondranana volamena tratra tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato... ♦ Efa miverina tsikelikely amin'ny laoniny ny vidin'entana ilaina andavanandro eto amintsika, hoy ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra, androany...

♦ Tanora 15 miralahy no nanonona ny voady voalohany ho an'ny fikambanana Salezianin'i Don Bosco androany, andro ankalazan'ny Eglizy maneran-tany ny nahaterahan'i Masina Maria... ♦ Ho tanterahana anio tolakandro ao amin'ny Katedraly Notre Dame de la Salette Antsirabe ny Lamesa fisaorana an'Andriamanitra sy fanaovam-beloma an'i Mgr Philippe Ranaivomanana... ♦ Havadika amin'ny fomba fandoavana mialoha ny saran'ny jiro ho jifainy na ny "mode prépaye ny kaonteran-jiro ampiasaina any amin'ny biraom-panjakàna manomboka ny voalohan'ny volana oktobra 2022... 

Isika olombelona dia Fanahy - Aina - Vatana. Ny fahafenoan'ireo singa ireo dia midika fa tsara ny olombelona. Ireo telo ireo no tomombana dia azo antoka ny fananganana ny rindrin'ny fahavanonana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...