Alahady 4 septambra 2022 — Alahady Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 25-33

Ny taovam-pisehona dia ny taova mitondra ny rivotra sy ireo singa ilain'ny vatana. Ny firafitry ny taovam-pisefoana : orona, vava, tenda, traotraoka, havokafoka. Ny aretina mety mahakasika ny taovam-pisefona : misy aretina mandalo azo tsaboina, misy ihany koa ireo aretina mitaiza ; isan'ireo matetika mitranga ny gripa, covid-19, kohodavareny, soika, fahasimban'ny sela anaty avokavoka miaro rehoka, misy rano ny avokavoka. Ny antony mahatonga ny aretina : fanafihan'ny tsimok'aretina, sy ny bakteria, vovoka manify ao antrano, ny fahalotoan'ny rivotra eny amin'ny tontolo iainana izay mety misy singa simika, setroka sigara sy ny maro hafa...

♦ An-dalana mihazo an'Antsahatanteraka amin'ny alalan'ny diabe mivavaka hiatrika ny alim-bavaka anio ireo tanora mpivahiny amin'ny JMJ Mada andiany faha-10 tanterahana ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Fanadihadiana nataon'ny iraky ny RDB momba ny fizotran'ny JMJ... ♦ Nanomboka tamin'ny fomba ôfisialy tao Manakara renivohitry ny Faritra Fitovinany ny voalohan'ny volana septambra teo ny hetsika nasiônaly fanomezana kara-panondrom-pirenena sy Kopia nahaterahana ho an'ny olom-pirenena feno 18 taona no miakatra... ♦ Handray anjara amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany amin'ny baolina lavalava lalaovin'olona fito atsy Afrika-Atsimo ny Maky vehivavy. Anio alina no hanainga ho atsy Cape-Town izy ireo...

♦ Miditra amin'ny andro fahaefatra amin'ny JMJ Mada andiany faha-10 anio ireo mpivahiny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Notanterahana omaly ny fibanjinana ny fijalian'i Jesoa Kristy... ♦ Handray anjara amin'ny CHAN 2023 hatao any Algerie i Madagasikara. Nisaraka ady sahala iray noho iray, teny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina omaly ny Berean'i Madagasikara sy ny ekipam-pirenena Botshwané... ♦ Hampiroborobo ny voly vary "riz hybride" amin'ny faritra 16 eto amin'ny nosy ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny Orinasa STOI... ♦ Hotanterahana anio ny fandevenana an'i Mickaïl Gorbatchev. Tsy hanatrika izany ny filoha rosiana Vladmir Poutine...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...