Misy heviny roa ny maha-katôlika ny Eglizy : irahina ho an'ny vahoaka rehetra izy, dia ilay vahoaka eo anivon'izao tontolo izao ankehitriny, sy ilay vahoaka mbola ho avy eto amin'izao tontolo izao. . Afaka mihaona amin'ny kolon-tsaina maro izy nefa tsy mitaona azy hampitovy ny kolon-tsaina rehetra akory izany, io no maha-katôlika azy faharoa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
♦ Tontosa ny sabotsy 26 avrily 2025 teo ny fanitrihina ny nofo mangatsiaka an'ny Papa François, tao amin'ny fasana voatokana ho azy ao amin'ny Bazilika an'i Sainte Marie Majeur ao Rome, am-piomanana amin'ny fiatrehana ny CONLAVE, hifidianana ny Papa vaovao ny Kardinaly miisa 135... ♦ Mbola voaazon'i Laura Rasoanaivo indray ny medaly volamena eo amin'ny sokanjin-danja 70kg ho an'ny vehivavy nandritra ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika, Judo senior,... ♦ Manomboka miverina amin'ny laoniny ny fizahan-tany any amin'ny Faritra atsimo-andrefana, taorian'ny fandalovan'ny valan'aretina Covid-19, mametraka olana ny lafiny fitanterana noho ny haratsin'ny lalana RN7...
28 aprily — I Masindahy Pierre Marie Chanel dia teraka tao Cuet, kaominina Montrevel-en-Bresse, ny 12 jolay 1803. Zaza fahadimy amin'ny valo mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Claude François Chanel no rainy, ary i Marie Anne Sibellas no reniny. Tantsaha izy ireo.
Fehezan-teny manomboka ny fampianaran'ny Konsily ny hoe : Antsoina ho anisan'ilay vahoaka vaovaon'Andriamanitra ny olona rehetra ; noho izany, io vahoaka io dia sady mijanona ho iray sy tokana, no tsy maintsy itarina eran-tany sy mandavana ny taon-jato rehetra. Ny hampiombona ny olona rehetra no nanirahan'Andriamanitra ny zanany dia i Jesoa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco