Zoma 15 jolay 2022 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 1-8
♦ Namoaka fanambarana androany ny firaisamonim-pirenena Rohy, manoloana ny fisondrotry ny vidin-tsolika. Nilaza izy ireo fa tsy mitsinjo ny fahasarotam-piainan'ny Malagasy, ary tsy voahevitra tsara ny fampiakaran'ny fanjakana ny vidin-tsolika... ♦ Tsy hisy, na tsena iray aza, hoesorina ao amin'ny "Petite vitesse", amin'ny fanamboarana ny "téléphérique", eny Soarano, hoy ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana, androany. Nanitsy ny feo mandeha izy, mikasika ity tetikasan'ny Filoham-pirenena ity...
♦ Misokatra ho an'ny zotram-piaramanidina avy atsy la Réunion ny seranam-piaramanidina Toliara sy Tolagnaro araka ny fankatoavana nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly... ♦ Miverina mikatona sy hatsaraina indray ny lalana eny amin'ny 67Ha. Nijery ifotony ny asa fanamboarana ny teknisiana avy amin'ny ministeran'ny asa vaventy... ♦ Lavin'ny sendikan'ny mpiasan'ny Jirama SEMM ny hanomezana ny fitantanana ity orinasam-panjakàna ity ho an'ny tsy miankina na ny vahiny... ♦ Nandao an'i Maldives io maraina io ka voalaza fa hihazo an'i Singapour ny foloha Sri Lankais izay nandao ny fireneny noho ny hetsi-bahoaka...
Ny nofinofy hanana tanjona sy dingana eo amin'ny fiainana no manala ny sakana anaty rehetra. Tsy tokony ho ny safidin'ny raiaman-dreny no hamaritra ny fiofanana na asa hataon'ny tanora fa izay nofinofiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Desiré Ramakavelo.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco