♦ Manomboka androany ny fanadinana ara-panjakana faharoa ho an'ny fampianarana ankapobeiny eto Madagasikara. Mpiadina maherin'ny 310.000 voasoratra anarana manerana ny nosy no miatrika ny fanadinana BEPC... ♦ Nitombol 406 ny olona voatily fa mitondra ny tsimok'aretina teo anelanelan'ny 24 jona hatramin'ny voalohan'ny volana jolay 2022. Marary 08 no anatin'ny "forme grave" na atahorana ny toe-pahasalamany. Miisa 03 ireo lavon'ny aretina... ♦ Nankalaza ny faha-20 taona nijoroany ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM tamin'ny sabotsy teo. Teny amin'ny kianjan'ny Finoana Magro Behoririka no nanaovana ny lanonana... ♦ Nesorin'ny CEDEAO ny sazy ara-toekarena sy ara-bola ho an'i Mali...
04 jolay — Teraka tamin’ny taona 1271 tao Espagne i Elisabeth. Zanak’i Pierre III, mpanjakan’i Aragon, sy Constance II avy any Sicile i Elisabeth na i Isabelle, fa ny dadabeany Jacques I kosa no nanabe azy. Zaza kely mahafatifaty i Elisabeth indrindra tamin’ny fitiavam-bavaka nitaizan’ity raibeny ity azy.
Tsy mahazo mihevitra na oviana na oviana an'izany harena izany ho toy ny an'ny tenany irery ihany ny olombelona. Ny fananan-tsamirery dia miainga amin'ny zo hananana fananana manokana, fa kosa azo hanasoavana ny hafa. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alatsinainy 4 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay —Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 18-26
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco