♦ Notanterahana androany maraina tao amin'ny Paroasy Katedraly Maria Manjaka, Namahora Morondava, ny lamesa fisaorana an'Andriamanitra sy fanaovam-beloma an'i Mgr Joseph Donald Pelletier... ♦ Kaominina Andrenivohitra efatra amin'ireo 48 any amin'ny Faritra Androy sisa no mbola ao anatin'ny fanaovana maloto ankalamanjana. Ny fanentanana sy ny fandresen-dahatra izay nataon'ny ONG Sahy, izay notohanan'ny UNICEF no nahafaka ireo Kaominina 54 tamin'izany...

Tsy maintsy amin'ny alalan'ny fitandremantsika tsara izay olona henoitsika, sy izay ambarany ary ny fomba fihainontsika azy ihany no hahazoantsika mitombo sy miha-lehibe ao amin'izany hoe haitaon'ny serasera izany, ka ny ivony dia tsy resaka fahalalàna ara-teknika fotsiny ihany fa "ny fahafahan'ny fo izay mampanjary ny fifanakaikezana". Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alarobia 8 jona 2022 — Masindahy Jacques Berthieu — Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny amin’i Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21

Izany indrindra no nahatonga an'i Jesoa nanamarina ny fahaizan'ireo mpianany mihaino ka nahatonga azy niteny hoe :"koa tandremo àry ny fihainoanareo, fa izay manana no homena, ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin'izay ananany aza". ireo izay mandray ny Teny amin'ny "fo marina sy tsara" ihany ary mitandrina azy tsara no hitondra voa tsara ho amin'ny fiainana sy famonjena.  Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...